Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Tratra teo am-pandraisam-bola

23/03/2013

Efatra tapitrisa ariary. Izay no nifanarahana fa hivarotan’izy telo an’ilay zaza. Iray tapitrisa ariary kosa no vodiondrim-barotra. Teo am-pandraisana ny vola vodiondrim-barotra kosa avy amin’ny mpividy kosa ireo mpivarotra no tonga ny mpitandro filaminana.

Noraisim-potsiny, arak’izany izy telo ireto izay saika nivarotra ilay zazakely. Avy any Ambohiboatavo, distrikan’Ambatondrazaka ireto olona nivaro-jaza ireto, araka ny loharanom-baovao. Mpihavana ihany izy ireo rehefa natao ny fanadihadiana satria, rahavavin-drenin’ilay zaza saika hamidy ilay ny iray tamin’izy ireo. Ny vadin’ity farany sy ny anadahiny kosa ireo niaraka taminy ireo nivarotra ilay zaza. Tsy fantatra kosa hatreto ny fomba nazoan’izy ireo an’ilay zaza. Ny hany fantatra, araka ny loharanom-baovao dia ny fihavian’ilay zaza satria tsy avy amin’ny tanana nihavian’izy ireo akory ity zaza ity fa nalain’izy ireo avy any Morarano Chrome. Nilalao teo an-tokotany no nahitana farany an’ilay zaza, araka ny nambaran’ny rainy. Marihina fa zazalahikely 4 taona ity saika hamidy ity. Isamël no anaran’ity zaza ity.
Efa nampitady zaza
Ny loharanom-baovao ihany koa no nahafantarana fa efa nisy resaka henon’ny mpitandro filaminana mialoha momba ity raharaha ity. Izay resaka izay no nafahan’izy ireo nanao vela-pandrika izay niafara tamin’ny fahatratrarana ireto mpivaro-jaza ireto. Tratra teo am-pandraisana ny vola iray tapitrisa ariary izay vodiondrim-barotra nifanarahana tamin’ny mpividy izy ireo. Tsy iza kosa ilay mpividy fa mpandraharaha ara-toekarena tao Ambatondrazaka ihany. Ity farany izay nambaran’ny mpitandro filaminana fa efa nifampiresaka mialoha tamin’izy ireo ka nafahana nanao ny velam-pandrika ho fisamborana ireo mpivaro-jaza. Ny mifanohitra amin’izany kosa ny nambaran’ireto farany satria araka ny nambaran’izy ireo dia efa ela ity mpandraharaha ara-toekarena ity no nampitady zaza azy ireo.
Efa nosamborin’ny mpitandro filaminana moa ireo olona voaroiroy ho mpangala-jaza sady mpivaro-jaza ireo ary hatolotra ny fitsarana ny raharaha.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...