Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Marary mafy ny enina

26/03/2013

Nisarika ny sain’ny fitondram-panjakana manoloana ny toe-pahasalaman’ny havan’izy ireo izay Tanana ao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka ireo Srilakey any an-toerana. Arak any fanambaran’izy ireo dia marary mafy avokoa ny enina amin’ireo folo izay tazonina ao amin’ity fonja ity. Ny tsy fifanarahan’ny fonja amin’ny toe-pahasalaman’izy ireo no voalaza fa anton’izany tsy fahasalamanaireto teratany vahiny mpividy safira ireto izao.Tsy nomen’ny fitsarana fahafahana vonjimaika ihany koa izy ireo na dia nanao fangatahana manandrify izany aza tamin’ny herinandro lasa.

Herinandro faharoa amin’ny nampidirana am-ponja an’ireo teratany Srilankey izay voaroiroy amin’ny fividianana safira an-tsokosoko any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka ity herinandro diavintsika ity. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana anefa dia fantatra fa marary ny enina amin’izy folo lahy ireo. Aretin’ny taovam-pisefoana sy areti-kibo no mahazo azy ireo. Ny alahady teo dia misy amin’izy ireo no efa tsy mahinan-tsakafo intsony. Manahy ny mety ho fihombon’ny aretin’ireo vahiny ireo ny fianakaviany raha tsy misy ny fandraisana an-tanana ataon’ny mpitondra fanjakana. Araka ny fanazavan’ireto farany dia tsy mifanaraka amin’ny toe-pahasalaman’ireo vahiny ny toerana hitazomana azy ireo ao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka.
Marihina fa efa nangataka fahafahana vonjimaika izy ireo kanefa nolavin’ny fitsarana any an-toerana ny fangatahana nataon’izy ireo. Nanamarika ny teratany Malagasy iray izay andefimandrin’iray amin’ireo vahiny Srilankey ireo fa miandry izay fanapahan-kevitra avoakan’ny fitondrana Malagasy izy ireo mahakasika ny raharaha maha voarohirohy ireo vahiny ireo. Misy manana aretina mitaiza ny ampahany amin’ireo Srilankey voatazona ao amin’ny fonja Ambatondrazaka, manampy trotraka izay hoy hatrany ny fianakaviana ny fisavana ny sakafo izay misy ambaratonga telo any ho any ka voaviravira sy tsy voatandro intsony ny ara-pahasalamana.
Fantatra fa mbola hangataka fahafahana vonjimaika izy ireo hafahana mitsabo ireo Srilankey ety ivelan’ny fonja . Hapetrak’izy ireo amin’ny fahendrena ny fitsarana Malagasy ny mahakasika an’izany.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...