Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mpitaingina scooter nifampitifitra

28/03/2013

Toy ny efa tsy eto Madagasikara intsony isika, hoy ny filazan’ireo nanatri-maso ny zava-nitranga omaly tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany tetsy Antanimena. Toy ny efa tsy eto Madagasikara satria tsy fahita firy eto amintsika izany hoe mifanenjika eny an’arabe amin’ny basy miaraka amin’ny fitaovam-piadiana hafa amin’ny andro antoandro izany. Izany tokoa anefa ny zava-nitranga omaly teo amin’izany faritra Antanimena izany. Lehilahy roa nitondra scooter no nenjehin’ny olona roa samy teny ambony scooter. Tratran’izy ireo teo amin’ny faritra manoloana ny Librairie LCV ilay scooter nenjehina ary somary nodoniny avy aoriana. Nanaraka avy aoriana ihany koa ny scooter iray fahatelo izay notaingenan’ny lehilahy iray hafa. Ity farany kosa somary niodina avy teo alohan’ilay scoter nenjehina ary nandona ity farany ihany koa.

Nianjera tamin’ny tany vokatr’ireo fandomana avy ao afara sy avy ao aloha ireo, arak’izany ilay scooter nifanenjehana. Nanomboka teo dia raikitra indray ny fifampisotomana teo amin’ireo samy mpitaingina scooter. Ny entana teny amin’ilay scooter nenjehina no nifampisintonan’izy rehetra. Tsy vita mora ny rahahraha satria namoaka fitaovam-piadiana ny iray tamin’ireo mpisintona. Fitaovana mpanome herinaratra fantatra amin’ny anarana hoe “matraque” no namalezan’ny iray tamin’izy ireo. Namoaka basy poleta kosa ny iray hafa ary nanapoaka izany. Tsy nisy ny naratra na voan’izany basy izany. Fantatra kosa anefa tetsy an-kilan’izany fa voasinton’ireo mpanenjika ihany ilay entana nifampisintonan’izy ireo. Poa toy izay taorian’izany dia samy nandray ny scooter nentiny ireo mpanenjika dia samy rifatra nandositra. Tsy afa-nanenjika intsony koa ireo roalahy izay nenjehina sy nitondra ilay entana.
Tsara ny manamarika fa samy olona tsy manana endrika jiolahy raha ireo olona nifanenjika ireo. Nisy aza moa ny nilaza fa mpitandro filaminana nanenjika mpangalatra angamba izy ireo. Hatreto aloha dia tsy fantatra marina ny momba azy ireo. Tsy fantatra torak’izany ihany koa ny momba ilay entana nifampisintonana sy nifanenjehana. Tsy isalasalana anefa ny milaza fa zava-tsaro-bidy ho an’ny an-daniny sy ny an-kilany izany matoa samy nikiribiby ny hahazo azy izy ireo.
Tsy milamina arak’izany ny tanana, ary efa tafalatsaka amin’ny fanaon’ny any amin’ireo tanana anjakan’ny asan- jiolahy ireny ny eto amintsika amin’izao fotoana izao.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...