Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Ho ritra ny vola afaka telo volana

28/03/2013

Tsy haharitra mihoatra ny telo volana intsony ny tahirim-bola ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Tsy azo iodivirana arak’izany ny fanotana vola vaovao raha tiana ny tsy ahatonga izany ho olana goavana eto amin’ny firenena. Tsy ho ara-dàlana anefa ny vola atonta satria tsy ankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena ny sonian’ny governora mpisolo toerana ao amin’ny Banky Foibe. Mety hiroso amin’ny famerenana amin’ny toerany ny Governora ara-dàlana, arak’izany ny fitondrana tetezamita.

Tsy takona afenina intsony ny loza mitatao eto amin’ny firenena manoloana ny fihenan’ny tahirim-bola ao anivon’ny Banky Foibe amin’izao fotoana izao. Efa nisy mihintsy azan y fanambaran’ny filankevitra izay nilaza izany ary nanamarina fa tsy maintsy hiroso amin’ny fanotana vola vaovao isika mba hialana amin’ny tsy fahampian’ny lelavola miasa eto amin’ny firenena. Araka ny loharanom-baovao dia tsy haharitra mihoatra ny telo volana intsony ny ambim-bola misy ao amin’ny Banky Foibe amin’izao fotoana izao. Fantratra ihany koa anefa etsy an-danin’izany fan a eo azan y finiavan’ny fitondrana tetezamita ny hanonta vola vaovao dia efa naneho ny tsy fankatoavany ny sonian’ny Governora mpisolo toerana ao amin’ny Banky foibe amin’izao fotoana izao ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena. Misedra olana goavana arak’izany ny fitondrana Malagasy ary heverin’ny maro fa tsy manan-tsafidy maro izy manoloana izao raharaha izao.
Ho an’ny mpahay ara-toekarena dia tsy misy afa-tsy ny famerenana amin’ny toerany ny Governora ara-dàlana izay nesorin’ny fitondrana tetezamita teo amin’ny toerany no vaha olana tokana azon’ny fitondrana atao manoloana ity raharaha ity.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...