Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nanolotra foto-drafitrasa maro

06/04/2013

Natolotra ireo mpahazo tombontsoa ireo foto-drafitrasa samihafa izay tafiditra amin’ny asa sosialy ataon’ny orin’asa Ambatovy. Isan’izany ny fanamboarana tohadrano madinika roa mitentina 145 tapitrisa ariary, ho fanamafisana ny asa fampandrosoan’ny mponina tantsaha any amin’ireo faritra manodidina ny tangorom-bohitra misy ny tandavanala Vohimana-Ankerana. Isan’izany ny toha-drano vita tao Ambatolampy kaominina Maroseranana Brickaville izay nandaniana vola mitentina 76 tapitrisa sy ny tao Anivoranokely Anjahamana Brickaville izay nandaniana vola mitentina 68 tapitrisa ariary. Ankoatry ny fanamboarana foto-drafitrasa dia nitondra ny anjara-birikiny tamin’ny fanampiana ireo tra-boina tao amin’ny fokontany roa tao Moramanga Moramanga, dia Fanovana sy Beforona ihany koa ny orinasa. Isan’ny nandraisany anjara ihany koa ny famitana ny asa fanamboarana ny Tranompokonolona ny asa tao Fanovana tamin’ny fanolorana tafo fanitso 30 sy simenitra 25 lasaka ary seza fampiasa anaty birao, miisa 40.

Simenitra 80 lasaka sy vato 6000 kilao kosa no natolony tao Beforona izay ilaina tamin’ny fanatsarana ny làlana mihazo ny CSB II. Mitentina 7,4 tapitrisa ariary ireo fanampiana natolotr’Ambatovy ireo. Ankilan’izay, dia nahazo ny anjarany koa ireo tratry ny hai-trano goavana tao Tanambao Verrerie P/elle 21/71 Toamasina I : tokantrano 73 ahitana olona 350 tsy manana trano fonenana no nanotolorana entana ilaina andavanandro sy kojakoja fampiasa an-dakozia, nahitana vary, siramamy, menaka, tsaramaso, sira, sinin-drano, vilany, lovia, izay mitentina 4,5 tapitrisa ariary. Ankoat’izay, dia nahazo ny fanofanana mikasika ny tolobarotra ireo orinasa tao Moramanga. Solon-tena 20 avy tamin’ireo orinasa no niatrika. Tapaky ny mpandray anjara sy ny Ambatovy mpanohana, fa atao isam-bolana ny fampitana traikefa tahaka izao.
Azo lazaina arak’izany rehetra izany fa mitohy hatrany ny asa sosialy izay ataon’ny orinasa Ambatovy na dia eo aza ny disadisa misy eo amin’ity orinasa ity sy ny fitondrana tetezamita. Ny fitondrana tetezamita izay naka mpanadihady iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny “cabinet Alex Stewart International” hanao fanaraha-maso ny orinasa Ambatovy amin’ny tena famantsiam-bolany marina. Ny Ambatovy kosa tetsy an-daniny, naka ny “cabinet K2” amin’ny fanamarinana ny maha-ara-dalana ilay “cabinet Alex Stewart International”.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...