Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mirongatra ny ady tany

10/04/2013

Iray amin’ireo tranga izay miha-mahazo vahana any amin’ny distrikan’Andilamena amin’izao fotoana izao ny ady tany. Manahy mihintsy ny maro amin’izao fotoana izao ny amin’ny mety ahatonga ireo tranga samihafa izay misy any an-toerana ho olam-piaraha-monina goavana. Isan’ny nitatitra ny didadisa teo amin’ny fianankaviany sy ny fianankaviana iray hafa tany an-toerana ny raim-pianankaviana iray izay nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tao Ambatondrazaka omaly. Ady tany hoy i Rakotondradia Albert no niantombohan’ny disadisa teo amin’ny fianankaviany sy ny fianankaviana iray tany an-toerana. Nitatra ny disadisa ka nivadika hoe mpanao ambalavelona ny tenany. Nisy zazavavy iray voan’ny ambalavelona nentin’ireo mpifanadrina tao an-tranony, araka ny nambarany.

Nanambara ity zazavavy voan’ny ambalavelona ity fa izy no nanao izany ambalavelona izany. Vokatr’izany dia nosamborina ary naiditra amponja vonjimaika ilay rangahy. Iray volana aty aoriana anefa dia voaporofon’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Ambatondrazaka fa tsy meloka ilay raim-pianankaviana. Nametraka fitoriana izy ireo amin’izao fotoana izao noho ny fanalam-baraka nataon’nyy fianakaviana mpifanandrina taminy sy ny nanimbana ny fananan’izy ireo. Fantatra nandritra ny famoriana mpanao gazety nataony fa nisy ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona nandritra ny fisamborana azy. Soa ihany fa hita ny marina taty aoriana, hoy izy ireo ka hapetrakay eny anivon’ny fitsarana ny fitarainanay.
Nambaran’izy ireo fa nomena sakafo tao anaty lokalokan’alika izy ireo. Fihetsika izay heverina fa fanitsakitsahana ny maha olombelona azy ireo.
Efa eo am-pelatanan’ny fitsarana ity raharaha ity amin’izao fotoana izao.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...