Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mitombo isa ireo tsy maty manota

31/10/2012

Mibaribary izao fa misy tokoa ireo tsy maty manonta na ireo ambonin’ny lalàna eto Madagasikara. Tsy isalasalana ihany koa ny milaza fa tsy natao ho an’ny rehetra ny fanarahan-dàlana, fa natao ho an’izay te-hanaraka izany ihany. Ary ny mahagaga dia ireo izay natao ho fitaratra amin’izay fanarahan-dàlana izay indrindra no mampiseho mibaribary ny tsy fanarahan’izy ireo izany lalàna mifehy ny tany sy ny fanjakana izany. Tsy inona no tian-kambara fa ny famakiana ny tatitra izay nataon’ny BIANCO momba ny zava-misy mahakasika ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara tamin’ity taona ity.

Omaly no nampahafantatra ireo atontan’isa momba izany ady amin’ny kolikoly izany ny BIANCO, ka tamin’izany no nahitana fa tsy nisy afa-tsy 06 ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta no nanao fanambaram-pananana tamin’ity taona 2012 ity raha nisy 31 izy ireo no nanao izany tamin’ny taona 2011. Tsy nisy na iray aza ny parlemantera nanao fanambaram-pananana tamin’ity taona ity raha 5 monja izy ireo no nanao izany tamin’ny taon-dasa. Tsy nisy nanao fanambaram-pananana ihany koa ny mpikambana ao amin’ny HCC, ary iray monja ny lehiben’ny faritra nanao izany.
Santionany tamin’ireo fanambaran’ny BIANCO ireo. Fanambarana izay milaza mazava tsara fa tsy vonona ny hanaraka ny lalàna misy eto amin’ny firenen-tsika ny ankamaroan’ireo mpitondra amin’izao tetezamita izao. Tsikaritra ihany koa fa na ireo efa nanao izany tamin’ny taon-dasa aza dia nihemotra ary tsy nanao izany intsony tamin’ity taona ity.
Firifiry anefa ireo harembe izay igalabonan’ireo mpitondra amin’izao fotoana izao ? Fiara, tranobe, velaran-tany tsy hita noanoa, vola any amin’ny banky. Samy tsy sahy ny milaza ny marina ny ankamaroany. Ary tsy vitan’izany fa sahy manitsakitsaka ampahibemaso tsotra izao ny lalàna milaza fa tsy maintsy manao fanambaram-pananana ny mpitondra rehetra eto amin’ny tany sy ny fanjakana.
Etsy an-danin’izany, nanaitra ny maro ihany koa ny fahitana tamin’ity tatitry ny BIANCO ity ny hamaroan’ny fitarainana voarain’izany rafitra miady amin’ny kolikoly izany, kanefa vitsy dia vitsy ireo azo kilasiana ho tena kolikoly . Tamin’ireo fitoriana miisa 3041 voaray tao amin’ny BIANCO dia ny 739 ihany no azo ekena fa trangana kolikoly. Ny 2298 dia tsy azo lazaina fa kolikoly avokoa. Izany hoe tsy mahafantatra ny atao hoe kolikoly ny ankamaroan’ny Malagasy, indrindra ireo izay mandefa fitarainana teny amin’ny BIANCO. Midika ve izany fa tsy ampy na koa tsy tafapaka eny amin’ny sarababem-bahoaka ny fampahafantarana ny kolikoly? Sa kosa tsy ampahafantarina mazava tsara ny tena antony ilazana fa kolikoly ny fihetsika iray mba ahafahana miaro ireo tompon’andrikitra manao izany.
Ankoatr’ireo dia isan’ny nisongadina saingy tsy nanaitra intsony tamin’ny fanambatran’ny BIANCO ny fahitana fa mitana ny laharana voalohany hatrany amin’ny fahamaroan’ny fitarainana mahakasika ny kolikoly ataon’ireo vondrom-bahoakam-paritra sy ny zandary. Ireto sokajin’olona izay mifampikasoka mivantana amin’ny vahoaka, indrindra ireo any ambanivohitra ireto, arak’izany no tena be kolikoly indrindra eto Madagasikara.
Marihina fa nahitana kolikoly ihany koa teny amina masoivoho vahiny eto Madagasikara, araka ity tatitry ny BIANCO ity.
Tsy mahagaga arak’ireo rehatra ireo raha sarotra dia sarotra ny hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy mianjady amin’ny firenena izao. Satria sady tsy mahalala ny lalàna misy eto amin’ny firenena ny vahoaka, no tsy misy manaraka izany lalàna izany ihany koa ny ankamaroan’ny mpitondra ary efa andairan’ny kolikoly ihany koa ireo vahiny izay antenaina hitondra vahaolana amin’izao krizy izao.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...