Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Niditra mivantana Ravalomanana

15/04/2013

Nikarakara hetsika goavana tany amin’n y distrikan’i Betafo, ny asabotsy 13 avrily teo ny Vondron’olontsotra na ny VOT tarihan’i Sarah Zoé. Tao amin’ny fokontany Andranomafana ao Betafo no nanatanterahana izany hetsika izany izay niarahany tamin’ny ONG Bainga. Vahoaka marobe tany amin’izany distrika izany no nandray anjara tamin’ity hetsika goavana ity ka isan’izany ireo ben’ny tanana sy sefo fokontany samy mbola am-perinasa avy amin’ireo kaomina sy tanana maro dia maro any an-toerana. Nanamarika izany hetsika izany ny fidiraana an-telefaonina nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Nifantoka tamin’ny fanomezan-toky ireo vahoaka mpandray anjara tamin’ny hetsika sy ny fanentanana azy ireo hiray hina ny hafatra avy amin’ny filoha teo aloha nandritra izany fidirana an-telefaonina izany.

« Fantatro ny mahasoa anareo vahaoka mpiray tanindrazana amiko ary manome toky aminareo ny tenako fa hiaraka hanavotra sy hanarina izao fahapotehan’ny tanindrazana izao isika », hoy ny fanomezan-toky nataon’ny filoha teo aloha. Niantso ireo vahoaka tao Betafo hino sy hatoky an’Andriamanitra ny amin’ny tsy maintsy hiverenany an-tanindrazana ihany koa ny filoha teo aloha. Mazava loatra fa hikam-pifaliana sy ranomasom-pifaliana ary tehaka saika tsy nisy farany no nandraisan’ireo vahoaka izany hafatra avy amin-dRavalomanana izany.
Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana
An-koatry ny fidirana an-telefaonina nataon-dRavalomanana dia isan’ny nanamarika ity fihaonambe tany Betafo ity ihany koa ny fanaovan’ireo mponina tany an-toerana fitarainana manoloana ny zava-misy iainan’izy ireo amin’izao fotoana izao. Isan’izany ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana izay mahatonga an’iny Distrikan’i Betsfo iny ho voakilasy ho faritra mena amin’ny asan-jiolahy amin’izao fotoana izao. Etsy an-danin’izany, mitaraina noho ny fitotongan’ny faambolena noho ny tsy fisian’ny fanampiana ara-teknika ireo tantsaha ihany koa ny mpandray anjara tamin’ny hetsika. Manginy fotsiny ny fitotongan’ny vidin’ireo vokatry ny tantsaha. Farany, isan’ny nitondran’izy ireo fitarainana ihany koa ny fanjakan’ny kolikoly sy ny ramatahora ataon’ireo nahazo fahefana amin’izao fotoana izao.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...