Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Lalao Ravalomanana no kandidan’ny ankolafy

15/04/2013

Nandritra ny fidirany an-telefaonina tao amin’ny fivoariana tao amin’ny Magro ny asabotsy teo no nanambaran’ny filoha teo aloha fa misy mitetika ny ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny sasany tamin’ireo avy amin’ny ankolafy tarihany. Tamin’izany ihany koa no nanambaran-dRavalomanana Marc fa amin’ity herinandro ity no hilazany fanampahan-keviny momba ny fandraisana na tsia anjaran’ny ankolafy tarihiny amin’ny fifidianana. Re anefa tamin’ny ora farany fa Rtoa Lalao Ravalomanana no voatendry ho kandidan’ny ankolafy. Raha voalàza teo aloha fa amin’ity herinandro ity no hilaza ny fanampahan-keviny mikasika ny fandraisana anjara na tsy amin’ny fifidianana ny ankolafy Ravalomanana, dia fantatra izao fa tena andray anjara izy.

Ramatoa Lalao Ravalomanana no voatendry ho kandidan’ny ankolafy. Tsara ny mampatsiahy fa lasa any Afrika antsimo hatramin’ny faran’ny herinandro teo ireo avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Araka ny nambaran’izy ireo teny am-piaingana hihazo an’ity firenena uty dia ny hifampidinika amin’ny filoha teo aloha mikasika ny fiatrehana ny fiainam-pirenena no anton-dian’izy ireo any Afrika Atsimo. Tetsy an-danin’izany anefa, nanambara ny filoha teo aloha, nandritra ny fidirany tamin’ny hetsika tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo fa misy te-handresy lahatra azy amin’ny fanendrena kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny sasany amin’ireo delegasiona nankany Afrika Atsimo ireo. “Maika hanao fifidianana ny sasany satria raha tsy manao fifidianana isika dia hanana asa izy ireo”, hoy indrindra ny nambaran’ny filoha teo aloha.
Saika tsy hanolotra kandidà
Marihina fa nilaza ny tsy hanaiky ny fandresen-dahatra hataon’ireo delegasiona hihaona amin’ny any Afrika atsimo ny filoha teo aloha. Tsy manaiky izany ny tenako, hoy izy. “Aza matahotra ianareo hoy izy fa izay hahasoa ny vahoaka no atao. N’inon’inona fandresendahatra atao aty amiko rehefa tsy mahasoa ny vahoaka dia tsy ilaina. Rehefa manao fifidianana isika hoy ny filoha Ravalomanana Marc dia tsy maintsy mandresy. Mila fahasahiana sy fahavonona izany ary mila manakina amin’ny Andriamanitra izany”, hoy hatrany ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Tsiahivina fa hatreto dia mbola mitana ny heviny ny amin’ny tsy hanolorany kandidà amin’ny fifidianana filom-pirenena ny filoha teo aloha raha tsy efa tanteraka ny fampodiana azy an-tanindrazana. Nilefitra ihany anefa ny lehilahy, saingy tsy ny iray tamin’ireo solotena nihazo an’I Afrika atsimo no notendreny fa ny vady andefimandriny.
Tsahivina rahateo moa fa araka ny fanambaran’ny filoha Ravalomanana tamin’ny asabotsy teo ihany dia handray anjara mivantana amin’ny fanampahan-kevitry ny ankolafy Ravalomanana i Ramatoa Lalao Ravalomanana. Toy izao indrindra ny tenin-dRavalomanana izay manamafy ny toeran’i Lalao Ravalomanana amin’ny fanendrena izay ho kandidà raha hisy izany. “Omaly dia nivory tao Bel’air ny fikambanana sasany, ary mihevitra fa ho tendrena eo ny kandida. tsy manaiky izany ny tenako fa mankanesa any amin’i Neny”. Marihina fa raha araka ny fifanarahana tamin’ny fampodiana an-tanindrazana ny vadin’ny filoha teo aloha dia tsy tokony hikasikasika ny resaka politika mihitsy ny tenany. Niova anefa izany ny fipetraky ny toe-draharaha ka miandry ny ho tohiny ny rehetra.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...