Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nahatafapetraka ny filatsahan-ko fidiny

16/04/2013

Niampy iray indray ny isan’ny kandidà nahatafapetraka ny atontan-taratasy filatsahan-ko fidiny teny amin’ny CES Ambohidahy. Omaly no nametraka ny filatsahan-ko fidiny ny filohan’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara izay iray amin’ireo kandidà vehivavy hilatsaka ho fidina filoham-pirenena. Naneho ny heviny mikasika ny dinika fampihavanam-pirenena izay kasain’ny FFKM hatao amin’ny alakamisy ho avy izao ihany koa ny tenany. Tsy tokony hafangaro ny fivavahana sy ny politika. Izay no nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara, sady kandidan’izany antoko izany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, Saraha Georget Rabearisoa, raha naneho ny heviny manoloana ny fampihaonana izay karakarain’ny FFKM na ny dinika fampihavanana ny tenany.

Nambaran’ity mpanao politika ity ihany koa an-koatr’izay fa tsy vahaolana amin’izao vanim-potoana izao intsony ny vahaolana tamin’ny taona hafa tany aloha. Manakiana ny fampihaonana izay kasain’ny FFKM hatao arak’izany ny kandidàn’ny Hasin’i Madagasikara, ary tsapa tamin’ny fanazavana izany nentiny fa ho azy dia ny firosoana amin’ny fifidianana ihany no vaha-olana hivoahana amin’ny krizy izay lalovan’ny firenena.
An-koatr’izay dia isan’ny nametrahan’ny mpanao gazety fanontaniana tamin-dRamatoa Saraha Georget Rabearisoa ihany koa ny fahitany ny filatsahan-ko fidin’I Lalao Ravalomanana izay hatolotry ny Filoha teo aloha sy ny ankolafy izay tarihan’ity farany. Ho an’i Saraha Georget Rabearisoa dia azo atao tsar any mandinika ny mikasika ny fahafahan’i Lalao Ravalomanana milatsaka ho fidina raha toa ka hampihemotra ny fifidianana eto amin’ny firenena izany. Nomarihany kosa anefa fa tsy tokony hafenina amin’ny vahoaka ny marina mikasika ny tsy fahafahan’ny filoha teo aloha miverina an-tanindrazana. Tsy inona izany fa ny tsy fananany ny fazoan-dàlana (passeport) amin’izany.
Marihina fa omaly no nametraka ny filatsahan-ko fidiny tao amin’ny fitsarana manokana momba ny fifidianana eny Ambohidahy ny filohan’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...