Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nisy nangalatra

16/04/2013

Amin’ny maha-politika afovoany ankavia azy sy amin’ny maha-mpiaro ny tontolo iainana ny antoko politika ZAMA na “zanaky Madagasikara”, dia ny fiarovana sy ny fanamafisana ny lafin’ny tontolo iainana no imasohany sy ataony manerana ny nosy.

Isany nanaovan’izy ireo hetsika ny fanatsarana ny moron-dranomasina tao Toamasina ny 16 martsa teo, tamin’ny alalan’ny fambolena zanaka “coco” teo anoloan’ny hopitaly ben’i Toamasina. Sady fanatsarana ny tontolo manodidina no fiarovana ny hopitaly amin’ny mety ho fiakaran’ny ranomasina araka ny fifanarahana teo amin’ny ZAMA sy ny kaominina izay nanome ny alalana no anton’izany. 70 teo ho eo ny “coco’ novolena nandritra ny hetsika, nefa ankehitriny dia nisy nangalatra avokoa ireo zanaka voanio novolena, izay mampitaraina ny mpitarika ny ZAMA, Ralambosolo Solofoniaina. Na teo anefa ny zava-nisy tao Toamasina, dia tsy nahasakana ny hetsika tsy nitohy tany amin’ny faritra hafa izany.Nisy noho izany ny sabotsy teo ny hetsika fambolena zanaka voanio ihany koa nataon’izy ireo ho fanatsarana ny tananan’i Mahajanga teo amin’ny toerana maintso fialan-tsasatra karakarain’ny kaominina.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...