Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Hatao tolo-bidy iraisam-pirenena

16/04/2013

Miandry ny famoahan’ny Fitsarana manokana momba fifidianana (CES) amin’ny fomba ôfisialy ny anaran’ireo kandidà hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny fanombohana ny dingana amin’ny fanontana ny vatom-pifidianana tokana. Hatao amin’ny alalan’ny famoahana tolo-bidy iraisam-pirenena ny fanatontosana izany, araka ny nambaran’ny filohan’ny CENI-T Atallah Béatrice. Afaka folo andro fara-fahakeliny, izany hoe tsy ho vita alohan’ny 28 avrily ny fanontana ny vatom-pifidianana tokana ho an’ny fifidianana filoham-pirenena. Izay no azo hamintinana ny fanazavana nataon’ny filohan’ny CENI-T, Atallah Béatrice, mahakasika ny vatom-pifidianana tokana izay voafaritry ny lalam-pifidianana.

Araka ny fanazavan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana dia miandry ny famoahan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na ny CES (Cour électorale speciale) ny anaran’ireo kandidà nahazo ny fankatoavana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny fanombohan’ny dingana amin’ny fanotana izany vato tokana izany. Nomarihany anefa fa hatao amin’ny alalan’ny tolo-bidy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanotana ny vatom-pifidianana tokana mba ialana amin’ny mety ho fiparitahan’ny vatom-pifidianana sandoka. An-koatr’izay dia nambaran’ity tomponandraikitra ity ihany koa avy amin’ireo vola izay nifanarahana tamin’ireo mpiara-miombonantoka amintsika eo amin’ny fanatanterahana ny fifidianana no ho enti-manatontosa izany fanontana ny vatom-pifidianana tokana izany. Efa nisy hoy izy, ny drafitra mety hahafahana miara-miasa amin’ny firenena Afrikanina tatsimo amin’ny famaritana ny taratasy hampiasaina amin’izany. Mety ho ao amin’io firenena io ihany arak’izany no hatonta ny vatom-pifidianana tokana.
Tsara ny manamarika fa aorian’ny famoahan’ny CES ny anaran’ny kandidà hifaninana ihany koa vao ho voafaritra mazava tsara ny teti-bola hanaovana ny vatom-pifidianana tokana. Mazava loatra ihany koa fa amin’izay fotoana izay vao hivoaka ny tolo-bidy iraisam-pirenena momba ny fanotana ity vatom-pifidianana ity.
Marihina fa halaina tahaka amin’ny endriky ny vatom-pifidianana tokana efa nisy nampiasa tany amin’ny firenen-tsamihafa tany ivelany tany ny endriky vatom-pifidianana tokana mety hampiasaina amin’ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara. Nambaran’ny filohan’ny CENI-T fa ny izay endrika tsy nahitana fanankianana maro loatra tany aivelany taany no halaina hatao ohatra amin’izany. Aorian’izany dingana rehetra izany kosa vao hiroso amin’ny fanabeazana ny mpifidy amin’ny fampiasana ny vato tokana amin’ny fifidianana ny CENI-T.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...