Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nihena ny isan’ny mpifidy

18/04/2013

Efa eny aanivon’ny fokontany isan’isany avy amin’izao fotoana izao ireo lisitry ny mpifidy ho an’i Toamasina Voalohany na dia tsy nifanaraka tamin’ny tetiandro nofaritan’ny CENI-T aza ny fahatongavan’izany. Taorian’ny fanisana dia fantatra fa tsy misy afa-tsy 130.181 sisa ny isan’ny mpifidy raha efa nihoatra ny 200 000 izany nandritra ny fitsapa-kevi-bahoaka natao farany. Arak’izany dia voahilik’ilay “logiciel SIGEM” avokoa ireo anarana miverin-droa na miverina imbetsaka (doubloons) tao amin’izany lisim-pifidianana izany. . Ankoatr’izay, fantatra ihany koa, ho an’i Toamasina I ihany fa mahatratra 120.261 ny isan’ny mpifidy manana kara-panondrom-pirenena. Miisa 5.148 arak’izany ireo voasoratra kanefa fa tsy manana karapanondrom-pirenena. Miisa 4.772 kosa ireo misy olana ny mikasika azy, ka isan’ireny ny fahadisoan’ny anarany sy ny mombamomba azy ary ireo heverina fa ho feno taona ny andro anaovana ny fifidianana, ny 24 jolay 2013 izao.

Ankoatra an’i Toamasina I, dia nahitana fihenana manodidina ny 40% avokoa ny isan’ireo mpifidy amin’ireo distrika 06 mandrafitra ny faritra atsinanana. Ho an’i distrikan’i Mahanoro izay manana mpifidy be indrindra ankoatra an’i Toamasina I, dia miisa 87.596 ny mpifidy voasoratra anarana ara-dalana ao aminy; Toamasina II 79.692; Brickaville 75.319; Vatomandry 62.461; Marolambo 54.581 ary Antanambao Manampontsy izay manana mpifidy vitsy indrindra ao anatin’ny faritra atsinanana dia miisa 20.714. Raha jerena kosa ny isan’ny mpifidy ao amin’ny faritra atsinanana, dia miisa 510.546 izany. Miisa 426.067 kosa ireo voasoratra anarana sady manana kara-panondro. Mahatratra 72.361 ireo tsy manana karapanondro, ka any Mahanoro ny 14.542, Brickaville ny 14.321, Toamasina II ny 15.088 ary Marolambo ny 10.004 no be indrindra voasoratra anarana tsy manana kara-panondrom-pirenena. Ireo anarana nahitana olana kosa dia miisa 12.118, ka Mahanoro 2.014, Marolambo 1.667, Toamasina I 4.772, Toamasina II 1.951 ary Vatomandry 1.180 no manana ny isa be indrindra amin’izany.

Ankoatra izay, 45.538.000 ariary ny teti-bola mba ho an’ireo CER miisa 03 ho an’ny faritan’i Toamasina, ka 17.212.000 ariary ny an’ny CER atsinanana, 14.529.000 ariary ny an’ny CR Alaotra Mangoro, ary 13.597.000 ariary ny an’ny CER Analanjorofo, izay ho enti-miasa mandram-pahavitan’ny lisi-pifidianana izay nanomboka ny volana oktobra 2012 hatramin’ny volana may 2013 ho avy izao.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...