Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Handresy lahatra an-dRajoelina ?

25/04/2013

Lasa any Roma omaly, ny filohan’ny tetezamita, araka ny fanambarana navoakan’ny mpampita vaovao avy eny Ambohitsirotra. Tsy isalasalana ny milaza fa samy hanana ny handroritany ny tena anton ‘izany dian-dRajoelina ho any Vatican izany ny rehetra, indrindra fa ny fihaonany amin’ny Papa François sy amin’ny sekreteram-panjakan’i Vatican amin’ny zoma ho avy io.

Raha dinihina akaiky ny zava-misy dia azo atao ny milaza fa tsy tongatonga fotsiny akory izao dia ho any Roma izao. Zavatra roa no mety ho nisy: voalohany dia mety ho vakatry ny fangatahana fihaonana izay fomba fanao tsotra eo amin’ny samy tompon’nandriktra izany. Faharoa, dia mety ho avy amin’ny fanasan’i Vatican ihany koa izany.
Raha ity faharoa ity no zava-nisy dia tsy isalasalana ny milaza fa manan-kambara amin-dRajoelina ny fididiana ny fiangonana Katolika maneran-tany. Tsy azo inoana tokoa raha toa ka handany fotoana hiantso ary hiresaka amin’ny filohan’ny tetezamita ny Papa François kanefa tsy manana antony goavana ho lazaina aminy. Antony izay tsy maintsy misy ifandraisana amin’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Antony ihany koa izay tsy maintsy misy ifandraisana amin’ny ezaka ataon’ny FFKM izay marihina fa ny fiangonana Katolika no mitarika azy amin’izao fotoana izao, amin’ny alalan’ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona. Iarahan’ny rehetra mahalala anefa ny teny izay nambaran’ity farany nandritra ireny dinika sava-ranonando teny Ivato ireny izay raha tsorina dia tsy mifanandrify velively amin’ny tombontsoan-dRajoelina.
Raha atao ary ny famakafakana dia tsy mitombina ny filazana fa mety ho fankatoavana ny fitondran-dRajoelina no anton-diany any Vatican. Ny mifanohitra amin’izany no azo ambara, ary azo inoana ihany koa fa mety hanoro hevitra an-dRajoelina mba hijery amin’izay ny tena tombon-tsoam-pirenena ny Papa François. Tsy inona izany fa ny fanekena an’io lalana faritan’ny FFKM miaraka amin’ireo vondrona sy antoko ary fikambanana maro izay mitaky ny hisian’ny tetezamita tsy momba ny atsy sy ny aroa io. Ity rahateo no fotoan-tsarobidy afahan’ny fiangonana Katolika mitondra ny anjara birikiny amin’ny famahana araka ny tokony ho izy ity krizy lavareny mambotry vahoaka hatramin’ny nitondran-dRajoelina ity.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...