Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Tafapetraka ny filatsahan-kofidiny

26/04/2013

Lalao Ravalomanana Rakotonirainy no kandidà faha 18 nahatafapetraka ny atontan-taratasy filatsahanko fidiny teny amin’ny fitsarana manokana momba ny fifidianana. Nambaran’ireo mpomba azy fa tsy misy hatahorana ny amin’ny fankatoavana ny filatsahan-ko fidiny. Miantso ny mpomba azy hisoratra anarana amin’ny lisim-pifidianana kosa ramatoa Lalao Ravalomanana. Omaly no nametranka ny atontan-taratasy filatsahanko fidiny ny vadin’ny filoha teo aloha Lalao Ravalomanana Rakotonirainy. Niavaka izany fametrahany ny atontan-taratasiny teny Ambohidahy izany, omaly nohon’ny fahamaroan’ny vahoaka tonga nanontrona azy teny an-toerana. Hita teny ihany koa ireo lohandohany avy amin’ny akolafy Ravalomanana sy ireo olomboatendry sy tomponandrikitra avy amin’izany ankolafy izany. I lalao Ravalomanana izany no kandidà faha 18 nahatafapetraka ny fangatahany ho isan’ny mpilatsaka ho fidina teny anivon’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana n any CES.

Mahafeno fepetra
Nambaran’ny Filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo nandritra ity fotoana omaly ity fa tsy misy antony na dia iray aza tokony tsy haneken’ny CES ny filatsahan-ko fidin’ny Kandidà Lalao Ravalomanana. Notsiahiviny rahateo ny fanampahankevitry ny CPS nandritra ny fivorian’izy ireo farany teo tany Dar es Salaam, izay nilaza fa tsy misy tokony azo sakatsakanana ny filatsahan-kofidina mandritra izao fifidianana eto Madagasikara izao. Notsiahiviny ihany koa fa misy amin’ireo kandidà amin’izao fotoana izao no mbola misazy noho izy ireo voaroiroy amin’ny fanonganam-panjakana niaraka tamin-dRajoelina. Nambarany anefa fa tsy tokony jho resahina izany rehetra izany mba hizoran’ny fifidianana araka ny tokony ho izy.
I Lalao Ravalomanana kosa niantso ireo mpomba azy mba hisoratra anarana any amin’ny lisim-pifidianana sy hanara-maso izany mba hahafahan’izy ireo mandray anjara araka ny tokony ho izy amin’ny fifidianana.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...