Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Misy mikotrika korontana

02/05/2013

Isan’ireo antoko politika nandrotsaka kandidà ho fidina filoham-pirenena ny Malagasy Miray sy Mifankatia n any MAMIMI. Na dia efa tafapetraka teny amin’ny CES aza anefa ny atontan-taratasy filatsahan’ny kandidà narotsak’izy ireo dia fantatra izao fa nisintona izany filatsahan-ko fidiny izany ity antoko ity. Araka ny fanambarana izay nataony omaly dia antony maro no nahatonga azy ireo tsy handray anjara amin’ny fandrotsahana kandidà ho filoham-pirenena indray.

Voalohany amin’izany ny tsy faneken’ity antoko ity ny fampandehanana ny fifidianana kanefa tsy hialohavana fampihavanana. Mpampihavana sy mpampiray no maha izy azy ny antoko, araka ny fanambarana nataon’izy ireo. Noho izany dia toy ny manohitra ny foto-kevitra ijoroany izy ireo raha mankato ny fifidianana tsy misy fampihavanana. Marihina fa nialohavana fihaonnana tamin’ny FFKM ny fanampahan-kevitry ny MAMIMI tsy handrotsaka fa hisintona ny filatsahan-ko fidin’ny kandidan’izy ireo.
Ankoatr’izay dia isan’ny antony nihemoran’ity antoko ity ihany koa ny fisiana fikononkononana korontana izay mety hitranga aorian’ny 3 mai, raha araka ny nambaran’izy ireo. Izany hoe mety hiteraka savorovoro eto amin’ny firenena, hoy ny fanambaran’izy ireo ny famoahan’ny CES ny lisitr’ireo kandidà mahazo milatsaka ho fidina filoham-pirenena.
Marihina fa ho an’ny MAMIMI dia mahatonga ny rehetra hihevitra fa kilalaon-jaza ny raharaham-pirenena ny fahitana ny fahamaroan’ny kandidà milatsaka ho fidina filoham-pirenena amin’izao fotoana izao. Manampy trotraka amin’izany ny fisian’ny tsy fanarahan-dàlana miseho lany ataon’ireo kandidà sasany toy ny fampiasana fitaovam-panjakana sy ny fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana.
Tsara ny mampatsiahy fa Rakotoaritsifa Haina Hasimbola no saika natolotr’ity antoko ity tamin’ny fifidianana filoham-pirenena.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...