Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nanadio kianja ny ZAMA

02/05/2013

Nanao hetsika nentina nanamarihana ny fetin’ny as any fikambanana politika ZAMA tany Toamasina. Tsy sambany ity fikambanana ity no manatanteraka hetsika toy izao. Taorian’ny fambolena zanaka voanio sy atafana teny amoron-dranomasina manoloana ny hopitaly be izay nisy nangalatra, dia tsy nahakivy ny ZAMA fa nanome tanana ny fangahatan’ny “Talenta akademia” sy ireo mpitia baolina kitra, nanadio ny kianja monisipaly izay feno bozaka sy rakotry ny fako ary rano miandrona noho ny orana tato ho ato izy ireo, na dia tokony ho anjaran’ny kaominina tompon’ny kianja aza izany. Teo koa ny asa nataon’izy ireo, namboly voninkazo sy nanatsara ny tokontanin’ny CEG Augagneur. Tonga maro ireo mpikambana izay tanora avokoa ny ankamaroany. Nambaran’ny mpandrindra nasionalin’ny ZAMA, Ralambosolo Solofoniaina, fa “mpandray andraikitra mba hahatanteraka ny Madagasikara maha-te ho tia sy mahafinaritra ary madio ny fikambanana politika ZAMA. Mitaiza ny tanora mba ho tia izany tontolo iainana mahafinaritra izany izahay, satria miankina amin’io ny ho avin’izao tontolo izao, ka isan’izany isika eto Madagasikara”.

“Izay no mahatonga ny hetsika ataonay mifandraika hatrany amin’izany fiarovana sy fanatsarana ary fikolokoloina izany tontolo iainana izany, ary tafiditra ao anatin’izany ny olombelona”, hoy hatrany Ralambosolo Solofoniaina. Tsy tao Toamasina ihany no nanao hetsika tao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny asa omaly, fa nisy koa ny asa nataon’izy ireo teto Antananarivo izay notarihan’ny sekretera jeneraliny Rakotozanakaja Toniniaina. Nisy ny fanatsarana sy fanadiovana ireo hopitalin-jazakely maromaro, ka isan’izany ny tao Antetezana afovoany, Anosibe, 67ha ary Manarintsoa afovoany. Marihina fa tsy hita ireo sendikalista tao Toamasina raha ny omaly. Samy nangina tsy nipoitra sy samy nilentika tsy nisy niteny avokoa izy rehetra amin’ny fotoana tokony hitenenany.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...