Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mifanilika andraikitra ny MainLand sy ny BMCI

03/05/2013

Samy nilaza ho tsy tompon’antoka tamin’ny fijanonan’ny asa fanarenana ny lalam-pirenena faha 5 ny orin’asa MainLand sy ny orin’asa BMCI. Iry voalohany nilaza fa efa voaloha ny 60% amin’ny vola nifanarahana hanamboarana izany lalana izany. Tsy misy afa-tsy 13% kosa ny vola efa voarain’ny BMCI, hoy ny solontenan’ity orinasa ity. Tsy nisy ambara kosa ny ministeran’ny Asa vaventy manoloana ity raharaha ity. Marihina fa nisy ampahan’olona nitondra sora-baventy teny amin’ny manoloana ny tranon’ny tomponandraikitry ny MainLand omaly. Fitakiana ny vola fanarenana ny RN5 no votoatin’ny fitakiana nataon’izy ireo

Nilaza ho tsy tompon’antoka tamin’ny fihantonan’ny asa fanamboaran’ny lalam-pirenena faha-05 ny orinasa MainLand. Nanao fanambarana mitovy amin’izany ihany koa ny BMCI “Building Material and Civil Engineering” izay orinasa nahazo ny fanamboarana izany lalana izany. Marihina fa izao vao nivoaka ny anaran’ity orinasa ity na dia efa telo volana aza izao ny niasany teto Madagasikara. Tsy nahitana resaka kosa ny ny minisiteran’ny Asa vaventy. Ho an’ny MainLand araka ny nambaran’ny mpandika teniny dia efa mahatratra ny 60% ny vola nifanarahana hanamboarana ny lalana RN5 no efa lasan’ny orinasa BMCI kanefa ny asa tsy nisy fandrosoany. Nomarihan’izy ireo hatrany fa ny mpitantanana ny orinasa MainLand mihintsy no nampihantona ny asa ary nanapaka ny famatsiam-bola noho ny fahitan’izy ireo ny tsy fandehanan’izany asa izany. Tsiahivina fa efa tamin’ny 19 janoary ny fanombohan’ny asa taorian’ny olan’ny MainLand sy ny Smatp ny volana oktobra 2012. Nambaran’ny MainLand hatrany fa in-dimy naka vola tamin’izy ireo ny BMCI nandritra izay fanamboarana ny làlana izay, nefa nahagaga anay fa mitaraina tsy nahazo ny volany ireo mpiasa nokaramaina sy ireo fitaovana nofainy. Nanambara ihany koa ny mpandika tenin’ny orinasa nitondra ny hafatra fa “tsy mpiasa eo anivon’ny MainLand i Ravokatra, fa olona natao hitantanana ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-05 fotsiny ihany”.
Ny teo anivon’ny orinasa BMCI kosa izay narovan’i Ravokatra Fidiniavo, izay nanamafy fa isan’ny mpikambana eo anivon’ny fitantanan’ny orinasa MainLand misahana ny fanamboarana ny RN5 izy, izay niantso mpanao gazety manokana tao amin’ny trano fandraisam-bahiny “Frederic Hotel” Ampasimazava omaly atoandro. “Mbola 13% ny vola 1.700 arivo tapitrisa ariary navoakan’ny MainLand hanamboarana ny RN5, izay nitentina 700 tapitrisa ariary, ihany no mbola azon’ny BMCI hatramin’izao. nahazoanay fahafaham-po tamin’ny minisitera ny asa natao hatreto ary ny 19 martsa ny fanadiadiana farany nataon’izy ireo”, hoy Atoa Ravokatra Fidiniavo. Nomarihany hatrany fa “tany amboalohany dia 3.500 arivo tapitrisa ariary no vola nomanina, nefa noho ilay olana tamin’ny fahazoan-dalany dia nahena ho antsasany izany”. “Hananako porofo avokoa ny raharaha rehetra. Nihaona tamin’ny MainLand tany Chine ny tenako nefa tsy nisy valiny ny fanohizana ny asa. Tsy fangatahana sy fitakiana atao amin’ny orinasa io fa adidy tsy maintsy ataony noho ny sonia natao tamin’ny bokin’andraikitry ny asa sahaniny”, hoy hatrany Atoa Ravokatra.
Ny minisiteran’ny asa vaventy ao anatin’ny raharaha dia sady tsy mahita ambara no tsy mahita vahaolana, fa ny marakefa ny andaniny sy ny ankilany amin’ny fanazavana izay ataony fotsiny sisa no ataony. Izay no hilazana fa “misy bizina maloto” ao anatin’ity raharaha lalam-pirenena faha-05 ity noho ny resa-bola mihodina sy samy manana ny ambarany ao anatiny. Fantatra koa izao fa ny 19 martsa teo no nampihato ny famantsiam-bolany ny MainLand ary nanomboka teo no samy “nitsoaka” niala an’i Madagasikara ireo tompon’andraikitra samy hafa tao aminy; ny minisitry ny asa vaventy anefa tsy nijery ny olana raha tsy ny 21 aprily teo izay nijery fotsiny fa tsy nisy fandraisana andraikitra nataony na tamin’ny MainLand nanapaka ny famatsiam-bola, na tamin’ny orinasa BMCI nahazo ny asa fanamboarana tsy nahavita ny andraikiny.
Ankoatra izay, dia misy koa vondron’olona manana mpanohana ambadika (?) entina mitondra soram-baventy sy hitarika fitokonana hitakiana ny vola ho fanamboarana ny RN5. Nisy ny fitondrana azy ireo teo anoloan’ny trano fonenan’ny tompon’andraikitry ny MainLand “cite procops” omaly mitatao vovonana nilanja soram-baventy 03 efa voahomana mialoha. Mbola ho betsaka ny tsiambaratelo andrasana mikasika ity raharaha ity.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...