Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Hangatam-panazavana ny Governemanta

11/05/2013

Nanakiana mafy ny tsy fanarahan-dàlana mibaribary izay nataon’ny CES ny Praiminisitra Omer Beriziky, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nataony omaly. Nambarany fa tsy maintsy handray ny andraikitra manandrify azy ny Governemanta, ka isan’izany ny fangataham-panazavana izay hataony amin’ny CES. Anjaran’ity farany anefa hy mandanjalanja izay mety ho vokatry ny fanampahan-keviny. Nitondra fanazavana mikasika ny fahitany ny zava-misy vokatry hy fanampahan-kevitry ny CES tamin’ny fanekena ny atontan-taratasy filatsahan-ko fidin’ny kandidà Rajoelina ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay notarihany omaly. Tamin’izany no nanambarany fa mibaribary ny tsy fanarahan-dàlana nataon’ity fitsarana manokana momba ny fifidianana ity kanefa tsy azo ivalozana ny fanampahan-kevitra izay noraisiny.

Manoloana izay dia tsy maintsy handray andraikitra amin’ny alalan’ny fandefasana taratasy fangataham-panazavana amin’ny CES ny fiadidiana ny Praiminisitra. Nambarany anefa fa efa fantatra sahady ny mety ho valin-tenin’ireo mpikambana ao amin’ity rafitra ity satria efa nisy ihany koa fangataham-panazavana nataon’ny ministeran’ny Raharahambahiny sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ka nilazan’ny CES fa ny Governemanta no tokony hanome izany fanazavana izany. Ho setrin’izany dia nilaza mazava ny Praiminisitra Omer Beriziky fa tsy tokony hanilika andraikitra ny CES, ary tsy tokony hifanilika andraikitra ihany koa amin’ityb raharaha ity. “Anjaran’ny mpikambana ao amin’ny CES ny mandanjalanja izay mety ho vokatry ny fanapahan-kevitra izay noraisiny. Ny Governemanta dia hanao ny adidy izay manandrify azy ihany. Tsy anjaran’ny Governemanta ny manolo ny mpikambana ao amin’ny CES”, hoy ny fanazavan’ny Praiminisitra.
Hisy fiantraikany amin’ny fifidianana ho avy
Anisan’ny nisongadina nandritra ity resaka ho an’ny mpanao gazety omaly ity ihany koa ny fanazavana nataon’ny mpahay làlana sady minisitry ny fitsarana teo aloha Imbiky Anaclet izay nanipika mazava fa tsy maintsy hisy fiantraikany ratsy amin’ny fifidianana rehetra hisy eto amin’ny firenena ny tsy fanarahan-dàlana nataon’ny CES, tamin’ny fanekeny ny filatsahan-ko fidina ivelan’ny fe-potoana ahafahana manao izany. Nitondrany fanazavana ihany koa ny momba ny fametraham-pialàn’ireo kandidà mitana andraikitra amin’izao fitondrana tetezamita izao. Nambarany 60 andro mialoha ny fifidianana no hanaovan’izy ireo izany fametram-pialàna izany.
Marihina fa nolavin’ny Praiminisitra tanteraka ny filazàna fa manohana kandidà amin’izao fifidianana izao ny tenany. “Ny Praiminisitra tsy manana kandidà, ny Primature tsy manana kandidà ihany koa. Raha misy mpanolon-tsaina manohana kandidà any ho any dia amin’ny maha olom-pirenena afaka azy no hanaovany izany”, hoy ny Praiminisitra Omer Beriziky.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...