Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Kandidà solombavambahoaka

13/05/2013

Nanao ny fivoriam-beny nanapahana hevitra ny tokony hiatrehena ny fifidianana ho solombavambahoaka omaly alahady, ny fikambanana FIMAMI (Fikambanana Malagasy Miray) tarihan’ny CT Dr. Benessy Harison Sebastien, izay natao tao amin’ny kianja mitafon’ny Soavita. Nandritra ity fivoriam-be ity no nanapahan’ny mpikambana fa ny filohan’ny fikambanana no mitarika ny lisitry ny filatsahan-kofidian’ny fikambanana FIMAMI; ka na tapitra amin’ny 26 may aza ny fanaterana ny lisitra miaraka aminy dia ny 09 jona izao mandritra ny fivoriam-ben’izy ireo manaraka indray vao ampahafantarina ny mpikambana ny lisitry ny fikambanana. Ho an’ny CT Dr Benessy Harison Sebastien dia “amin’ny maha-olom-pirenena no handraisana anjara amin’ny fifidianam-paritra toy izao, tsy hanova ny maha-fikambanana ny FIMAMI ny filatsahana satria notapahan’ny mpikambana fa hijanonana ho fikambanana tsotra mpanao asa soa hatrany ny FIMAMI, ary mbola hanohy ireo asa ara-tsosialy sy fitsaboana fanaony tahaka izay efa-taona nisiany izay”.

Nambarany hatrany koa fa “tsy mbola manana kandida ho tohanana amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ny FIMAMI, miankina amin’ny fivoriam-be manaraka ny volana jona izao no hamaritan’ny mambra izany izay efa filozofianay ny fakana izany ho an’ireo mpikambana ao aminay. Nefa izahay tsy hanohana ireo tsy mitovy hevitra sy filozofiana aminay”. Mamporisika sy mitaky ny hahavitan’ny fifidianana hany tokana ho famahana ny krizy politika efa efa-taona ny FIMAMI, nefa manahy kosa noho ireo zava-misy ataon’ireo kandida sy ny mpanao politika sasany ary ny fanapahan-kevitry ny FFKM farany teo izay ilaina tahaka ny famitana ny fifidianana ihany koa. Ankoatra izay, dia efa nampanantena omby 03 ny 26 jona sy omby 05 aorian’ny fifidianana depiote ho an’ny mpikambana ny CT Dr Benessy Harison Sebastien ho mariky ny fanohanana ny lisitry ny fikambanana. Hitohy ny volana jona izao ny asa sosialy, ka ny asa tana-maro ao Andranomadio, Mangarivotra, tananan’i Toamasina amin’ny fanadiovana faobe; eo koa ny lalao baolina kitra sy “semi-marathon” FIMAMI ny volana aogositra; ny fizarana fanafody sy fitsaboana ary ny fanalana nify maimaim-poana izay tsy mbola faritana ny daty. Hankalaza ny faha-05 taonany ny FIMAMI ny volana oktobra 2014 izao.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...