Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Vonona hanarina ny rava

13/05/2013

“Vonona isika hanarina ny rava mba ho lova tsara ho an’ny taranantsika”. Io no kabarim-panokafana nentin-d Ramatoa Lalao Ravalomanana kandidà hilatsaka ho filohampirenena, nandritra ny fihaonany tamin’ny vahoakan’ Ankadikely Ilafy tetsy avara-drano. Natao izany taorin’ny fotaom-pivavahana tao amin’ny FJKM Belanitra. Raha ny fantatra dia mahatratra 14 ireo kaominina nanohina ny antso. Rehefa niaritra ora dimy ny vahoaka, niandry izay fahatongavany izay dia niroso avy hatrany tamin’ny kabary I Lalao Ravalomanana. Ny fanarenana an’ I Madagasikara no tena votoatin-dresaka tamin’izany. “Tsapako, fantatro ary hitako fa mahantra loatra ny vahoaka Malagasy. Miandry fiovana avy amiko ianareo koa dia miteny aho fa vonona hanarina ny rava ary vonona aho hanangana ny rariny”, hoy Ramatoa Lalao Ravalomanana. Tsy nijanona tamin’izay ihany ny kabary fa niresahana ihany koa ny fihavanana sy ny soatoavina izay harena-tsika Malagasy.

Tombana
“Natao ity hetsika ity mba ahafahana mijery ny lasa sy hibanjinana ny ho avy . Natao ihany koa ity kaongresy ity dia mba ho fampahafantarana ny zava-misy eto an-toerana sy hanetsiketsehana ny fokontany”, hoy Andry Ralainarivo, mpikarakara ny hetsika . “Ary raha ny mahakasika ny lisi-mpifidianana indray dia efa manara-maso akaiky izany ny avy ao amin’ny firehana eny anivon’ny fokotany ary hita fa mbola maro no tsy tomombana, ohatra ireo efa navita fanisam-bahoaka nefa mbola tsy voasoratra ao anaty lisitra”, hoy ny fanazavan’ny mpikarakara.
Tsy hiala amin’ny teny nomena
“ Nanamafy ny fitsipahana ny teny izay nomena ny 15 janoary teo ry zareo ao amin’ny SADC. Tsy nisy ny tapaka tamin’izany fivoriana izany. Nandritra ny fivoriana dia fantatra fa ny CES no nanapa-kevitra ka izay tapaka teo dia tapaka, ary voalaza fa izy ireo no fara-tampony”, hoy Ravalomanana Marc, filoha teo aloha, nandritra ny antso antariby izay nataony tao amin’ny Magro ny asabotsy lasa teo. “Nanamafy ihany koa izy fa tsy hilatsaka izy fa atokisany ny vadiny. “Mifanipaka tanteraka ny hevitry ry zareo avy ao amin’ny filan-kevitra ambony momban’ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana na CPS sy ny SADC ny 22 aprily lasa teo satria araka ny andininy faha 9 dia tokony tsy hisy hitsabaka amin’ny fanapahan-kevitry ny CES kanefa tsy izany no zava-mitranga. Mifanohitra amin’ny lalan’ny fifidianana aty amitsika izany satria tsy misy mahazo manatsoaka ny maha kandidà na iray aza. Tsy misy dikany ny fanambarana satria tsy milaza ny marina. Araka izany, manana ny zony ny vahoaka ary tokony hajaina ny safidiny. Tsy tokony ahiana ny fanambarana navoakan’ny SADC”, hoy Marc Ravalomanana.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...