Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nitsipaka ny baikon’ny SADC

13/05/2013

Tsy mankato ny toro-marika avy amin’ny SADC ny ankolafy Ravalomanana. Tamin’ny alalan’ny fidirana an-telefaonina tamin’ny asabotsy teo, nandritra ny hetsika teny amin’ny Magro no nanambaran-dRavalomanana fa tsy misy iny fanambaran’ny SADC tamin’ny faran’ny herinandro teo iny satria tsy milaza ny marina. Arak’izany dia tsy hanala ny filatsahan-ko fidin’i Lalao Ravalomanana ny ankolafy. Tsy niandry ela fa ny faran’ny herinandro teo ihany dia namely ny fanambaran’ny SADC ny filoha teo aloha, manoloana ny filazan’ity vondrona iraisam-pirenena ity ny amin’ny tokony hametraham-pialan’i Lalao Ravalomanana amin’ny maha kandidà filoham-pirenena ny tenany. Mifanipaka tanteraka amin’ny fanapahan-kevitry ny CPS tamin’ny 22 Aprily ny fanapahan-kevitry ny SADC, hoy ny filoha teo aloha.

Ny andininy faha 9 amin’io fanampahan-kevitry ny CPS tamin’ny volana avrily io dia milaza fa tsy mahazo mitsabaka amin’ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana ny vahiny, hoy hatrany ny fanambaran’ny filoha teo aloha, kanefa ity fanambaran’ny SADC ity dia midika fa mitady hitsabaka tamin’izany izy ireo. Esty an-danin’izany, nambar’ny filoha teo aloha tamin’ny fampitam-baovao nataony ny asabotsy teo ihany fa mifanipaka amin’ny lalànan’ny fifidiananana eto Madagasikara ity fihetsiky ny SADCity satria tsy misy mahazo manatsoaka ny maha-kandidà na iray aza amin’ireo mpilatsaka ho fidina. Manoloana izany dia nilaza i Marc Ravalomanana fa toy ny tsy misy iny fanambaran’ny SADC iny satria tsy milaza ny zava-marina. Notsipihiny fa iny no fanambarana ratsy indrindra nataon’ny SADC hatramin’izay efa-taona izay. “Mba tsy hilazana fa ny ankolafy Ravalomanana no sakana amin’ny fifidianana dia tapaka hoy izy fa handray anjara amin’izany ny ankolafy. Nisy ny fivoriana ary tamin’izany no nanapahana fa i Neny no kandidà. Tsy izaho irery no nanapa-kevitra fa nisy antoko rehetra tao anatin’ny ankolafy”. Antony nilazany fa tsy avy aminy samirery no naha kandidà an’i Lalao Ravalomanana. Nambarany mazava ary fa tsy miova ny hevitry ny ankolafy Ravalomanana amin’ny tsy fanatsoahany ny filatsahan-ko fidin’i Lalao amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Marihina fa nokianin’ny filoha teo aloha Ravalomanana nandritra ny fidirany mivantana tao amin’ny Magro tamin’ny asabotsy teo ihany koa ny tatitra nataon’i Joachim Chissano izay vao avy namita iraka teto Madagasikara tamin’ny herinandro teo. Nilaza i Chissano hoy izy, fa tokony hangataka ireto olona telo ireto hiala. Tsy marina ny zavatra noresahiny tamin’ny fikambanana iraisam-pirenena. Nambaran-dRavalomanana ihany koa fa nantsoina tany amin’ny SADC ihany koa ny tenany ary nangatahana ny hirotsahany ho kandidà amin’ny toeran’i Lalao Ravalomanana. “Tsy mivadika amin’izany fa matoky ny vadiko aho. Manana ny zon’ny vahoaka malagasy izy”, hoy ny nambaran’ny filoha teo aloha. Farany dia nambaran-dRavalomanana ihany koa fa tsy marina ny filazana fa hisy korontana. Raha misy izany dia ireo nahazo tombontsoa manokana tamin’ny fanonganam-panjakana no hanao izany, hoy hatrany ny fanazavany. Marihina fa toy ny mahazatra dia nanamafy hatrany ny fiverenany an-tanin-drazana tsy ho el any filoha teo aloha.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...