Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Natao an-kilabao ireo beantitra

14/05/2013

“Tantara tokoa sisa no mitoetra raha ny raharaha 72 no asi-teny. Toa tsy nandalo fahoriana sy tolona ireo vahoaka satria zara raha omena toerana ireo zoky olona niaritra sy nitolona”, hoy Ramarozafy Emil. 75 taona izy izao ary manana zafikely 25. Anisan’ ny mahery fo tamin’izany fotoana ary anisan’ireo nitolona. Tsy hita taratra intsony ety amin’ny endrika ivelan’ny olona ny andro 13 may satria raha nanontaniana ireo tanora ohatra dia vitsy no nahatsikaritra fa anisan’ny andro nanandanja amintsika Malagasy io andro io”. Tsy dia nasian-teny firy ny andro omaly fa toa ireny andavanandro rehetra ireny ihany . “Nianatra tsara izahay ary na ny tao an-tsekoly aza tsy nisy teny akory”, hoy Njara Rakotonanahary mpianatra kilasy famaranana ao amin’ny Lycée Rabearivelo.

Ady sarotra
“Marina fa tena ao anatin‘ny ady sarotra tokoa ny Malagasy amin’izao fotoana izao fa ny tsy tokony hadinoina dia ny fitiavan-tanindrazana. Samy tsy mahafantatra afatsy ny tenany ireo mpanao politika. Mangorina am-paosy no tena iadivana ny seza fa tsy mijery akory ireto vahoaka madinika”, hoy Emil somary manindry feo. “Fanateranam-boninkazo, fotoam-pivavahana, lanonana samihafa no nentina nankalazàna ny andron’ny 13 May. Raha sahala ahy manokana aloha dia tsy mbola nahazo taratasy fanasana amin’ireny lanonana ireny. Na ihany koa valopy manome fisaorana nandritra izay fotoana izay . Fa indrindra ity fitondrana tetezamita ity”. Misy ary ve izany ny fanavakavahana sa manao havan’ikala hafa ny mpikarakara ?

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...