Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Rakotra valala

16/05/2013

Tafakatra ao antampon-tananan’i Fianarantsoa amin’izao fotoana izao ny andiam-balala. Omaly dia rakotra tanteraka ny tanana, raha araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Nanomboka tamin’ny iray ora tolakandro eto ho eo no nahatongavan’izany andiam-balala matevina izany. Avy any avaratra ny fihaviany ary nihodikodina teo amin’ny habakabak’i Fianarantsoa izany andiam-balala matevina dia matevina izany nandritra ny ora vitsivitsy, talohan’ny nipetrahany tamin’ny faritra maro dia maro tany an-toerana. Marihina fa tsy sambany akory no nahatongavan’ny andiam-balala ny tao an-tampon-tananan’i Fianarantsoa. Tamin’ny asabotsy te odia efa nahitana andiam-balala ihany koa tany an-toerana saingy tamin’ireo faritra somary manodidina ny tanana no lasibatra. Trano maro no voalaza fa rakotry ny valala tanteraka omaly, raha araka ny vaovao avy any an-toerana ihany. Isan’izany ny tao amin’ny fokotanin’Anjoma izay nampanano sarotra mihintsy ny fifamezivezena vokatry ny hamaroan’ny valala.

Hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra dia mbola tsy fantatra izay fandraisan’andrikitry ny fitondrana hiadiana amin’ity andiam-balala tafakatra ao antampon-tananan’i Fianarantsoa ity. Araka ny fanazavan’ny talen’ ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra any amin’ny Faritra Matsiatra ambony, taorian’ny fandalovan’ilay andiam-balala tamin’ny asabotsy te odia tsy manana ranom-panafody hahafahana miasy amin’ny valala manidina izy ireo afa-tsy ranom-panafody mahafeno velaran-tany 400ha ihany. Ho an’ny kijeja kosa dia ranom-panafody maharakotra velaran-tany 1500 ka hatramin’ny 2000 ha ihany no eo am-pela-tanan’izy ireo. Raha araka ny vinavina anefa dia velaran-tany mahery lavitra noho izany no rakotr’ireo andiam-balala ireto.
Amin’ny Septambra vao hisy fanampiana
Ho an’ny mponina kosa dia tsy hitan’izy ireo ny hatao manoloana izany tranga izany. Mazava loatra fa misy ihany ny faly manoloana izany firongatry ny andiam-balala izany satria azoa tao laoka hihinanam-bary izany valala izany ho an’ny sasany. Tsy vitsy kosa anefa ny velon’ahiahy noho ny fahasimban’ny voly izay mety aterak’izany. Marihina fa efa tafakatra ny an-kamaroan’ny vary raha ny any amin’iny faritra iny no resahina.
Ho an’ny ministeran’ny Fambolena kosa dia fantatra araka ny nambaran’ny minisitra Ravatomanga Roland fa amin’ny volana septambra ho avy io vao azo hampiasaina ny vola avy amin’ny mpiara-miombon’antoka hiadiana amin’ny andiam-balala eto Madagasikara. Ny fanarahana ny fombafomba amin’ny famoahana izany vola izany avy amin’ireo mpamatsy vola no voalaza fa anton’izany tsy fahafahana mampiasa ny vola amin’izao fotoana izao izany. Na izany aza dia efa nisy ihany ny fangatahan’izy ireo ny mba hamoahana fanampiana vonjy maika an’i Madagasikara hiatrehana ny firongatry ny andiam-balala amin’izao fotoana izao.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...