Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Halatra nify volamena no antony

17/05/2013

Ny tombatomban’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny polisim-pirenena no nilaza fa ny nify volamena nanaovan’ity raim-pianankaviana ity no nisarika ny loza izay najo azy. Manodidina ny 45 taona izy ary ny fatiny nivalampatra teo amin’ny lalam-pasiky ny Cité Valpinson P/elle 11/62 tany Toamasina ny marainan’ny alarobia 15 may teo no nanaitra ny folonolona izay niantso ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny « Force d’Intervention de la Police (FIP) ». Naratra be ity lehilehy ity ary ny teo amin’ny molony no hita fa voa mafy noho ny daroka nahazo azy. Tsikaritry ny polisy nandritra ny fizahana vonjy maika nataon’izy ireo niaraka tamin’ny mpitsabo fa nisy banga ny nifiny. Tsy nahitana karapanondrom-pirenena na famantarana hafa ihany koa teny amin’ity lehilehy ity, izay nanasarotra ny mpitrandro ny filaminana namantatra sy nampiantso ny fianakaviany. Arak’izany dia ny fanaterana ny faty teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be no nataon’ireo FIP eo am-piandrasana ny havany haka azy.

Lasa toerana mampatahotra

“Tena lasa toerana mampatahotra na andro na alina ity fokontaninay ity ankehitriny. Efa im-piry izao no nahitana fatin’olona sy fanendahana ary vaky trano tety aminay. Niova be ny Cite Valpinson tsy tahaka ny nahafantarana azy hatramin’ny amin’ny filaminana”, hoy ireo mponina mitaintain-dava noho ny hafitsoka ireo jiolahy ao amin’ny fokontany saika isan’andro. Nomarihan’ireto mponina ihany koa fa “ny fahamaizanan’ny tanana noho ny tsy fisian’ny andrin-jiro mirehitra intsony no tena maha-be ireo jiolahy sy mahatonga ireo tranga mateti-pitranga eto izao. Izay afaka mividy sy mamatsy ny andrin-jiro amin’ny takamoa ihany no manana, ka ny ankamroan’ny fokontany dia ao anatin’ny haizina tanteraka”.
Ny angom-baovao ihany koa no nahalalana fa ny talata 14 talohan’ity nahitana ny fatina lehilahy ity, dia efa nitrangana fanolanana tovovavy iray hody koa tao amin’ity fokontany ity, teo amin’ny manodidina ny tsena. Ny vaovao no nahalalana fa tovolahy valo be izao no nahavanona ny fanolanana, nefa raha niantso vonjy ilay tovovavy voaholana dia efa tsy hita avokoa ny nisy ireto tovolahy.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...