Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mitsipaka ny fanambaran’ny CPS

21/05/2013

Tsy azo ekena ny vetinkevitry ny Filankevim-pilaminan’ny Vondrona Afrikana na ny CPS momba ny fitakian’izy ireo ny fialàn’ny kandidà Ravalomanana Lalao, hoy ny filohan’ny antoko Manajary vahoaka, Rakotoson Harotsilavo. Tsy resy lahatra amin’ny tokony hanatsoahan’ity kandidà ity ny atontan-taratasiny na misy aza izay fahadisoam- panantenan’ny CPS izahay hoy ny fanamarihan’ity mpanao politika ity. «Tena fanambarana miendrika politika iny navoakan’ny CPS iny, na miendrika faniriana ihany aza. Tsy misy resaka « base juridique » ilay fanambarana » hoy hatrany ny fanazavany. « Mahafeno fepetra ara-dàlana ny kandidà Ravalomanana Lalao satria feno ny anton-taratasy notakiana taminy ary tafapetraka tamin’ny fe-potoana ara-dàlana tsara izany », araka ny fanazavan’i Rakotoson Harotsilavo. Momba ilay tsy fipetrahana teto an-tanindrazana tao anatin’ny enim-bolana kosa nambarany fa « mazava tsara ny didim-pitsarana : ny fanjakana no nanakana azy tsy hipetraka teto fa tsy sitrapony manokana. Naniry ny hody an-tanindrazana matetika izy fa ny fitondrana foana no nanakana azy tsy hiditra eto », hoy ny filohan’ny antoko manajary vahoaka.

Nambarany ihany koa fa tsy mankasitraka ny “ni…,ni…” izy ireo satria « ireo vahoaka nifidy tamin’ny 2006 izay noverezin- jo tamin’ny 2009 no mitaky ny hamerenena ny zony hifidy. Ny “ni … ni…” dia tsy manome safidy ireo vahoaka hifidy », hoy hatrany ny fanazavany.
Nome-tsiny manokana i Rajoelina
Tsiahivina fa isan’ireo tafiditra ao anatin’ny fanambaran’ny CPS izay mitaky ny hanesorana ny filatsahan-ko fidiny ho filoham-pirenena ny kandidà Ravalomanana Lalao sy Ratsiraka Didier. Mazava anefa ny valin-kafatry ny ankolafy Ravalomanana manoloana izany. “Tsy mitovy amin’ireo kandidà hafa i Lalao Ravalomanana ary tsy azo oharina amin’ny hafa ny momba azy. Ho anay, madio i Neny satria tsy nanongam-panjakana no tsy voaongana koa”, hoy ny Maître Hanitra Razafimanantsoa, mpisolovava ny ankolafy Ravalomanana. Tsara ihany koa ny mampatsiahy fa lasibatra manokana tamin’izany fanambarana izany ny filohan’ny tetezamita sady kandidà Rajoelina Andry NIrina. Tondroin’ny CPS ho “tsy nanaja ny teny nomeny taorian’ny tsy firotsahan’ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc ny tenany. Etsy an-danin’izany dia mahakasika azy mivantana ihany koa ny fotokevi-dehibe ijoroan’ny Vondrona Afrikana izay mandrara ny firotsahan-ko fidin’ny olona iray tafakatra teo amin’ny fitondrana tamin’ny fomba tsy mifanarana amin’izay voafaritry ny lalam-panorenana na nanao fanonganam-panjakana”.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...