Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Voa teo amin’ny tendany ilay namany

22/05/2013

Na ny fianankaviany, na ny mpotandro filaminana avy ao amin’ny kaomisarian’ny Polisy ao Toamasina dia samy nilaza avokoa fa voatifitra tsy nahy i Andriamanampisoaniaina Mbinina izay maty tsy tra-drano noho ny bala izay niantefa tamin’ny tendany. Voalaza ihany koa fa mbola bala lasa tsy nahy tamin’ilay basin’ny Polisy no niantefa tamin’ny mason’ny iray tamin’ireo naman’i Andriamanampisoaniaina Mbinina. Izany hoe samy tifitra tsy nahy avokoa no nampipoaka ny basin’ilay polisy, indroa miantoana. Marihina fa tsy maty ilay voatifitra teo amin’ny masony fa mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly any an-toerana noho ny ratra nanjo azy.

Raha hiverenana ny zava-nitranga dia toy izao. Mpampianatra mpikaroka avy ao amin’ny oniversiten’i Vontovorona i Andriamanampisoaniaina Mbinina. 30 taona ny tenany ary ny lafiny fikarohana momba ny any ambanin’ny tany no nimasoany. Avy any Fandriana no tena fihaviany. Tonga tany Toamasina kosa ny tenany noho ny antony roa samihafa. Teo aloha ny fanaterana ny vokam-pikarohan’ny zanak’anabaviny izay haka ny marim-pahaizana “maîtrise”. Teo ihany koa anefa ny fitsangatsanganana noho ny fetin’ny Pentekoty. Ny faran’ny herinandro lasa teo arak’izany dia efa tany an-toerana ny tenany. Nisy aloha ny fitsangatsanganana nataony tany Foulpointe, niaraka tamin’ilay zanak’anabaviny. Tsar any fiarahana ka tsy nody izy ireo tamin’io fotoana io fa nitohy teny amin’ny moron-dranomasina tany Toamasina ny fitsangatsanganana ary mbola niantso namana hafa nanampy azy ireo tamin’izany ihany koa izy ireo.
Nitolo-batana
Tamin’io fotoana io ihany dia niantso ilay polisy namany ihany koa ilay zanak’anabavin’i Andriamanampisoaniaina Mbinina. Ary dia nitohy niaraka tamin’ingahy polisy ny revy teny amin’ny moron-dranomasina. Tamin’izay ary no namoahan’ilay polisy ny basy PA teny aminy ary nilazany fa mihidy ka tsy mipoaka izany basy izany. Kanjo rehefa nokitihina ilay izy dia avy hatrany dia nipoaka ka niantefa teny amin’ny tendan’i Andriamanampisoaniaina Mbinina ny bala voalohany. Raikitra ny ady hevitra ary nanamafy ilay polisy fa tena mihidy ilay basy anry dia nandramana fanindroany ka mbola nipoaka ihany. Niantefa teny amin’ny mason’ilay naman’izy ireo hafa indray koa izany bala fanindroany izany. Araka ny efa nambara teny am-piandohana dia maty tsy tra-drano i Andriamanampisoaniaina Mbinina. Naratra mafy ary mbola tsaboina eny amin’ny hôpitaly kosa ilay naman’izy ireo voatifitra teo amin’ny masony. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina no nitrangan’izany. Nambaran’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaomisaria any Toamasina fa am-perinasa ilay polisy tamin’io fotoana io ary basy nomena azy noho izay maha am-perin’asa azy izay ity nahafatesana olona ity.
Hatreto dia mbola tsy nilaza na hitory na tsia ny fianankavian’ny maty. Nilaza koa ny avy ao amin’ny komisaria fa tsy maintsy handalo “conseil de discipline” eo anivon’ny polisim-pirenena ilay polisy nahatifitr’olona. Marihina fa efa nitolo-batana avy hatrany teny amin’ny kaomisaria ny tenany ny marainan’ny omaly. Na izany na tsy izany amin’ny maha faty olona an’ity raharaha ity dia inoana fa tsy maintsy hisy ihany koa ny raharaham-pitsarana momba izany.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...