Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

“ Tsy hankato ny fifidianana ataon’ny Malagasy samirery”

24/05/2013

Namaly ny filazan’ny filohan’ny tetezamita mikasika ny mety ho fahafahan’ny Malagasy hizaka samirery ny fikarakarana ny fifidianana eto amintsika ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta tamin’ny alalan’ny fanambarana izay nataony nandritra ny famaliany ny fanontanian’ny mpanao gazety, omaly. Nambarany fa tsy hankato ny fifidianana izay karakarain’ny Malagasy samirery ny Fianakaviambe iraisam-pirenena. Arak’izany dia nohamafisin’ny Praiminisitra Jean Omer Beriziky indray fa toy ny mametraka ny firenena ho eo ambava loza ny fikarakarana fifidianana ivelan’ny fandraisan’andraikitry ny fianankaviambe iraisam-pirenena. Arak’izany dia mila ny fandraisan’anjaran’ny Fianankaviambe iraisam-pirenena isika amin’ny fikarakarana ny fifidianana.

Tsiahivina fa hatreto dia mbola tsy namerin-teny mikasika ny fampihatoany ny famatsiam-bolan’ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara ny Vondrona Eropeana. Fantatra ihany koa an-koatr’izany fa tsy voaray tany amin’ny foiben’ity vondrom-pirenena ity ny filohan’ny CENI-T izay nanao dia tany ivelany mihintsy mba hiady ny hiverenan’ny famatsiam-bola ny fifidianana hatao eto Madagasikara.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...