Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

“Miray tsikombakomba amin’ny vahiny ny fitondrana”

27/05/2013

Nitanisa ireo zava-misy izay iainan’ny vahoaka amin’izao fotoana izao ny tatitry ny fivondronamben’ny Eveka katolika eto Madagasikara izay nanao ny fivoriambeny tamin’ny herinandro lasa teo. Nasongadin’izy ireo tamin’izany ny fahapotehan’ny firenena, na amin’ny lafiny ara-kolontsaina izany, na amin’ny lafiny ara-toe-karena. Nomen’ny Eveka tsiny manokana ny mpitondra fanjakana izay tsy nanao afatsy ny nanapotika ity firenena ity tamin’ny lafiny rehetra, indrindra tamin’ny firaisana tsikombakomba tamin’ny vahiny. Na eo aza anefa izany raho-mainty mitatao eto amin’ny firenena izany dia niaiky ihany koa ny Fivondronamben’ny Eveka fa efa misy ny vonona ary efa miroso amin’ny fibebahana.

Tsiahivina fa ny FFKM no iray amin’ireo efa nanao antso avo amin’ny tokony hibebahan’ny Malagasy. Midika izany fa mankasitraka ny dingana vitan’ny FFKM ny fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara. Marihina ihany koa anefa fa miantso ny mpitondra hamela ny vahoaka hilaza ny heviny amin’ny alalan’ny fifidianana ny Fivondronamben’ny Eveka ary mitaky ny tsy hanodikodinana ny safidim-bahoaka. Toy izao ny ampahany amin’ny hafatr’ireo Evekan’i Madagasikara.
“Izao zavamisy iainantsika izao ve no lova napetrantsika amin’ny taranaka fara mandimby ? 50 taona no nandraisantsika an-tànana ny fiainan’ny firenentsika. Nefa izao no zavamisy, mahantra sy fadiranovana hoy izy ireo ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy. Migalabona anaty harena mihoa-pampana kosa ny olom-bitsy. Makarary fo ny mahita anareo mahantra araraotin’ireo mpanana sy ireo be sandry. Vao mainka nitombo ny fikorontanan’ny fiainam-pianakaviana, ny kolikoly, ny asan-dahalo, ny vono olona, ny harena be miavosa hananan’ny tanintsika dia zary mifangarika amin’ny fahantrana mangeja ny maro amin’ny mponina ankehitriny. Fananana solintany sy harena an-kibon’ny tany maro izay tsy ahodina eto an-toerana hahasoa ny firenena fa zary rembin’ireo mpitrandraka harena iraisam-pirenena. Torak’izany koa, lasan’ny vahiny ny tany be velarana misy harena. Moa ve halatra an-karihary sy voarindra izany. Maro no mitsoaka amin’ny fandoavan-ketra ary mametraka amin’ny tombony azony any amin’ireny paradisan’ny fanodikondinam-bola ireny ka manendaka tsotra izao ny olona eo amin’ny toerany, ho an’izay loharanon-karena tokony ho azy. Tonga mpiray tsikombakomba amin’ny tombontsoan’ireo vahiny ny mpitondra fanjakana sasany . Ny hafa indray dia tsy manao afa tsy ny fiarovana ny fananany manokana fotsiny izay mifandaka amin’ny soatoavina iombonan’ny fiarahamonina. Tsapa ihany koa hoy izy ireo fa ny tsy fahampian’ny finiavana politika sy ny risi-po ho an’ny tanindrazana ary noho ny fitiavam-bola be loatra no nahatonga ny fitsabahan’ny vahiny amin’ny raharaham-pirenena ka manankorontana.
Ny fahefam-panjakana rehetra tsy hita hiaro, tsy hita hianteherana, satria tsy misy lalàna voahaja iarovana amin’ny mahaolona sy soa iombonana.Mitatao amin’ireo tanorantsika ankehitriny sy ny hoaviny manontolo izay rahomainty izany. Moa ave tsy tandindon’izany ireo andiam-balala manarona ny antsasaky ny Nosy manontolo izay jerem-potsiny ankehitriny. Ambavahoana ny firenena.
Tsirim-panantenana maro kosa anefa , aoka hampihoatra antsika , na eo aza ireo rahomainty mandrakotra ireo ka mitsangana fa aza milofika. Ny voalohany amin’izay ny fahitana ireo niaiky ny heloka sy nibebaka fa vonona hihavana sy ho mpampihavana. Izany indrindra no irina sy mifandraika amin’ny soatoavina. Hampirisihana mba ho maro ny tahaka izany. Fanantenan’ny maro an’isa ny fiovana entin’ny fifidianana izay anehoana ny fiainam-pirenena. Avelao mba hiteny amin’izay ny vahoaka ary aza ahodinkodina ny safidiny”.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...