Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Ho roahin’ny Oniversite any an-toerana

28/05/2013

Nanome fe-potoana hatramin’ny 20 jona ho avy io ho an’ny mpianatra Malagasy mandranto fianarana any amin’izy ireo ny toeram-pampianarana ambony any Wuhan any Chine. Araka io fe-potoana io dia ho roahin’izy ireo mpianatra tsy an-kanavaka rha toa ka tsy voaloha alohan’io daty ion y vatsim-pianaran’izy ireo.

Izany hoe sady tsy hahazo hianatra intsony, ary tsy hahazo mipetraka amin’ny trano fonenana misy azy ireo amin’izao fotoana izao intsony ireo mpianatra Malagasy any Chine ireo raha tsy voaloha ny vatsim-pianarana ireo. Ny fanazavana nataon’ny mpisolovava ireo mpianatra ireo no nanao io fanambarana io omaly rehefa nahazo ny fitarainana miendrika antso vonjy nataon’ny mpianatra. Mbola olana hafa ihany koa ny fampodiana ireo mpianatra ireo aty Madagasikara raha sanatria ka mitranga izay fandroahana azy ireo izay. Araka ny fanambaran’ny mpisolovava azy ireo dia tsy manana na dia saran-dàlana hodiana an-tanindrazana aza ireo.
Marihina fa tsy voalohany no nisy ny fitarainan’ireto mpianatra Malagasy any Chine ireto. Efa nisy mihintsy ny fanampahan-kevitry ny fitondrana tetezamita izay nanome vatsim-pianarana roa volana azy ireo. Nisy ihany koa ny dian’ny filohan’ny tetezamita tany an-toerana izay nihaona tamin’ireo mpianatra Malagasy ireo tany Chine. Mahagaga anefa fa tsy mbola nahitam-bokany hatrany ity. Fantatra ihany koa ankoatr’izay fa mpianatra Malagasy miisa 200 amin’ireo 800 mandranto fianarana any Chine no eken’ny ministeran’ny Fampianarana ambony ny maha ara-dàlana azy. Tsara anefa ny manamarika fa didim-panjakana ny nandefasana ireo mpianatra ireo tany amin’ity firenena ity.
Manao antso avo ho an’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga, arak’izany ireo mpianatra Malagasy mianatra any Chine.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...