Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Misavovona ny fako

08/11/2012

Tsy misy mpaka intsony ny fako ao an-tampon-tananan’i Toamasina, indrindra ny any amin’ny faritr’ireo tsena toa an’i Bazary kely, Bazary Be, ny Bazary Valpinson Ambolomadinika, ny Bazary Dépot ary ny Bazary Ankiriry izay efa andro maromaro izao no tsy nisy mpandroaka ny fako ao aminy. Vokany: miavovona manaka-danitra ny haavon’ny fako amin’ireo toerana manodidina ny fanariam-pako amin’ireo tsena izao. Miparitaka arak’izany ny loto sy ny fofona maimbo eny amin’ireny faritra ireny. Mazava loatra fa ahina di ahiana ny hiparitahan’ny valan’aretina izay entin’ny loto, indrindra amin’izao vanim-potoana mahabe ny orana sy ny voankazo izao.

Ankoatry ny loto ny fofona, ny lalitra ary ny moka sy ny voalavo entiny dia isan’ny olana ateraky ny fivangongoan’ny fako manerana ireo faritra ireo ihany koa ny fanelingelenana ny fifamoivoizana aterany. Rakotra fako ihany koa ireo arabe manakaiky ireo toerana fanariam-pako. Vokatr’izany, tsy vitsy amin’ireo lalana ireo no lasa tery dia tery na tsy azo aleha mihintsy vokatr’izany fako miavovona izany.
Araka ny loharanom-baovao avy ao amin’ny fiadidiana ny tananan’I Toamasina dia olana ara-teknika sy olana nateraky ny fahalavan’ny faran’ny herinandro izay tsy niasana no nahatonga izao fibetsahan’ny fako tsy voaroaka izao.
Ireo mponina eny amin’ny manodidina ireny toerana feno fako ireny anefa no nilaza fa efa herinandro mahery na roa herinandro mihintsy aza ho an’ny sasany no tsy nisy nanala ireny fako ireny. Tamin’izany fotoana izany hoy izy ireo no tazana farany ireo fiaraben’ny kaomina izay mpanala ny fako ao an-tampon-tananan’I Toamasina.
Tsar any mampatsiahy fa iray amin’ireo olana sedrain’ny tananan’I Toamasina ny tsy fahampian’ny fiarabe mpanry fako raha miohatra amin’ny hamaron’ny fako misy ao amin’izany tanana izany. Voalaza fa efa tamin’ny volana aprily no nokasaina hatao ny tolo-bidy hividianana fiara ho fanalana ny fako any an-toerana ka ny fiadidiana ny Faritra hanao izany tolo-bidy izany ary ny fiadidiana ny tetezamita no hiantoka ny fividianana azy. Fito volana aty aoriana, tsy hita ihany ny fiara nolazaina fa nanaovana tolo-bidy sy omena ny kaominina hitaterana ny fako.
Na izany na tsy izany, tandindomin-doza tokoa ny tananan’I Toamasina amin’izao fotoana izao noho ireto fako ireto, raha tsy misy ny fandraisan’andraikitra haingana amin’ny fanesorana azy.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...