Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Voasambotry ny polisin’ny UIR

31/05/2013

Misesisesy ny fahatratrarana ireo jiolahy gaigilahy tao Toamasina tato ho ato. Araka ny vaovao azo farany dia saron’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny UIR na “Unite d”intervention Rapide” izay nisolo ny GIR teo aloha ao amin’ny kaomisarian’ny polisy Toamasina I, ireo andiana jiolahy mpanao ny asa famakiana trano ao Ankirihiry sy Ambalamanasy ary Ampanalana. Julio sy Dadamena izay zanaky ny mpiambina ny tompon-tranon’ity teratany frantsay manambady Malagasy ity teo aloha sy ingahy Bono izay efa nanana ekipa faha teo aloha saingy ireo namany efa migadra avokoa noho ny halatra nataon’izy ireo tao Ambalamanasy. Araka ny fanazavan’ny kaomisera Ramananandro Gabriel dia ny 23 may teo no namaky ny tranon’ilay tera-tany frantsay manam-bady Malagasy ao Ampanalana izy ireo tokony tamin’ny 02ora maraina, nofatoran’izy ireo ny mpiambina ary niditra izy ireo. Avy hatrany dia niditra ny efitrano misy ilay vadim-bazaha ka nitaky vola ary nahazo Ar.210.000 niampy “carte bancaire” izay mbola saika nakana vola; tsy nitsahatra hatreo izany fa tonga hatramin’ny fanolanana ilay ramatoa sy ny mpanampy azy, taorian’izay dia nofatoran’izy ireo tao anaty trano fivoahana izy 03 tao an-trano.

Ny 24 may tokony tamin’ny 03ora maraina kosa dia ny trano teo akaikin’ilay voalohany ihany no nanaovan’izy 03 lahy ireto ny asa ratsiny, vola Ar.15.000 no hany azon’izy ireo nefa tsy nisy kosa ny fanolanana. Tamin’ireo trano roa ireo dia lasan’ireto jiolahy avokoa ny fitaovana azo namidy tao an-trano niampy ireo firavaka volamena samy hafa. Ny tsy nampoizina ka nanamora ny fanaraha-maso dia ny fahadinoan’ingahy “Bono” ny satrony sy ny fitaovana famakiana trano niampy ny antsy lava nentin’i Julio sy Dadamena. Niaiky ny vaky trano sy ny fanolanana nataony avokoa izy 03 lahy, ary miandry fitsarana azy am-ponja avokoa izy 03 lahy taorian’ny fiakaran’izy ireo fampanovana sy ny mpitsara mpanao famotorana omaly. Ankoatra izay, dia notapahan’ny TELMA ny laharana maintso 112 ny polisy, saingy mbola mandeha kosa ny 020 53 320 17 sy ny Airtel 017 amin’ny filana vonjy amin’ny kaomisarian’i Toamasina renivohitra.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...