Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Aparitaka ny vary mora

31/05/2013

Efa iray volana izao no nanaparitahan’ny SILAC ny vary mora teny anivon’ny fokontany tao Toamasina sy ireo mpivarotra mpiara-miasa aminy. I Ricky Dinh-Van Pagni no misahana ny fitsinjarana ny anjaran’ny fokontany amin’izay, izay nanazava fa efa nahatratra 415 taonina no efa naparitaka amin’ireo fokontany miara-miasa aminy sy misy ireo tena sahirana ampiana amin’ny alalan’ny vary mora ity. 1.500 kgs isaky ny fokontany izany ary amidy Ar.800 ka 05kgs isaky ny olona no azo amin’izany. Nambaran’Atoa Ricky Dinh-Van Pagni fa natao ho an’ny rehetra ny vary mora ka tsy azo atao ny mamarotra azy amin’ny gony izay heverina fa mety hisian’ny risoriso avy eo ka hahalafo indray ny vary efa natao ho an’ny rehetra amin’ny vidiny efa niniana natao ho zakan’ny Malagasy “mahantra” sy “sahirana” na ireo izay tia azy ihany koa.

Mbola mahatratra 2.000 eo ny tahiry eo anivon’ny SILAC mitantanana ny vary, ka hisy hatrany ny fitsinjarana izany ho an’i Toamasina I, sy ny fahapariahana izany ihany ho an’ny kaominina hafa mila sy mangataka izany. Ankoatra izany, amin’ny maha-fandaharan’asan’ny prezidansa ny famarotana ny vary mora, dia mpanara-maso ny famarotana izany amin’ny vidiny ifanarahana Ar.800 io ny kaominin’i Toamasina renivohitra. Tsy adino ihany koa fa mahazo tombony Ar.50 isaky ny kilao ny fokontany mivarotra ny vary sy ny mpivarotra miara-miasa amin’ny SILAC.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...