Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mety hiala tanteraka ny ENELEC

01/06/2013

Araka ny loharanom-baovao avy ao amin’ny JIRAMA any Toamasina dia efa eo am-panamboarana ny Groupe iray hanome tanjaka 04MW ny teknisianina any an-toerana amin’izao fotoana izao. Izany dia hamahana ny olan’ny famatsian-jiro ao antampon-tananan’I Toamasina amin ‘izao fotoana izao.

Voalazan’ity loharanom-baovao ity fa amin’ny fotoana fahavitan’ity milina mpanome herinaratry ny JIRAMA Toamasina ity dia hitombo ho 14,5MW ny herin’aratra azony ho tsinjaraina izay hanamaivana kely ny delestazy izay misy any an-toerana efa ho roa herinandro izao. Tsara ny mampatsiahy fa ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny Jirama Toamasina amin’ny fizarana ny hany herin’aratra misy eo aminy, rah any ao an-tampon-tananan’i Toamasina no resahana. Izany dia vokatry ny tsy nanomezan’ny Enelec azy herin’aratra intsony, noho ireo vola be am-polony miliara ariary tsy voalohan’ny fanjakana. Araka ny fantatra dia tsy manana herin’aratra afa-tsy 10,5MW fotsiny ny Jirama Toamasina hamatsiana ireo fokontany 138 any an-toerana. Mahatratra 19MW ny filàna herinaratra any an-toerana amin’ny andro ary miakatra 21MW izany rehefa alina ny andro.
Tsar any manamarika fa araka ny nambaran’ny teknisianin’ny JIRAMA Toamasina dia milaza ny hiala an-daharana amin’izay ny orinasa Enelec ato ho ato noho ny fatiantoka misy eo aminy hono ny volany tsy nalohan’ny fanjakana Malagasy efa ho efa-taona izao. Mazava loatra fa tsy maintsy hampitombo ny tsy an’asa eto Madagasikara sy hampanahirana ny JIRAMA manerana ny Nosy izay fialana an-daharan’ny Enelec izay raha tonga tokoa, satria ny ankamaroan’ny herin’aratra miasa amin’ny JIRAMA amin’ny faritra maro dia ity otrinasa ity avokoa no mamokatra azy.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...