Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mitaky ny fialan’ny CES

03/06/2013

« Tsy miombon-kevitra amin’ny didy navoakan’ny CES na komity misahana manokana ny fifidianana ny KMF- CNOE satria resaka politika no nanompanany ny fanapahan-kevitra izay noraisiny fa tsy niainga tamin’ny fampiharana ny lalàna velively. Noho izany, tokony ho ravana tanteraka io komity io ary soloina avokoa ny mpikambana ao anatiny », hoy Razafindraibe Ernest filoha nasionaly ny KMF-CNOE. Nataony izany fanambarana izany nandritra ny valan-dresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety ny asabotsy maraina teo. Entitra tokoa ny mpanara-maso ny fifidianana satria mahatsapa tanteraka izy ireo fa efa tsy raririny intsony ny fizotry ny raharaha eto amin’ny firenena. « Tsy tokony hisy tombo sy hala amin’ireo kandida ho filoham-pirenena. Niaraha-nahalala fa ny kandida Andry Rajoelina dia efa taorian’ny fe-potoana farany hametrahana ny antotan-taratasy filatsahan-ko fidiana vao nametraka ny azy. Teo koa ireto manana andraikitra ambony eto amin’ny fanjakana izay tokony hametra-pialana nefa mbola minia tsy manao izany.

Aiza ny fampiharana ny lalàna mifehy izany toe-draharaha izany ? Mipetraka ny fanontaniana hoe mbola hananan’ny mpifidy fitokisana amin’ny tsy fombàny ny atsy na ny aroa ihany ve ireo mpikambana ao amin’ny CES ireo amin’ny fitsarana ny voka-pifidianana ? Tokony ho ravàna araka izany io komity io ka soloina mpikambana vaovao », hoy Razafindraibe Ernest, filoha nasionaly ny KMF-CNOE.
Fanemorana ny fifidianana
Mahavaha olana ve ny fanemorana iray volana ny fifidianana? “Tsy tokony hisy ny sakana amin’ny fifidianana ny faha 24 jiolahy izao raha vahana dieny izao ny olana. Raha ny momba ny komity misahana ny fifidianana na CENIT dia manambara izahay fa efa vonona hiroso amin’izany fifidianana izany izy fa ny olana dia ireo mpanao politika izay samy manao izay tiany, tsy mitady akory izay marimaritra iraisana, entina hanarenana ny firenena”, manazava hatrany Razafindraibe Ernest. Takiana ihany koa ny fanarenana raha mbola misy ny fotoana, ohatra ny lisitra diso. Ary farany dia tokony hisy ny fandraisana andraikitra amin’ireo minia mandika lalàna amin’ izay manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana.

Tinah
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...