Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Fidinana an-dàlambe no mety ho vahaolana

05/06/2013

« Tsy mahatoky ny Andrimpanjakana intsony ny vahoaka Malagasy. Tsy hitan’izy ireo intsony izay ho sarangotina manoloana ny toe-draharaha misy amin’izao fotoana izao. Ny fidinana an-dàlambe no nahazoana ny fitondrana koa filatsahana an-dàlambe no hany vahaolana.

Izay no resaka mandeha eny anivon’ny vahoaka eny », araka ny nambaran’i Lezava Fleury, filohan’ny Antoko Harena , ary kandida amin’ny filoham-pirenena. Samy nanambara ny heviny avokoa ny rehetra fa tsy nisy nandray an-tànana, koa rariny raha hiroso amin’ny filatsahana an-dàlambe ny maro. « Tsy misy atokisana intsony. Ohatra ny CES izay efa lefy lanja noho ny nataony, ny CENIT izay hita ho miandany amin’ny Andry Rajoelina, ny miaramila izay mitongilana : rehefa ny avy amin’ny fitondrana no mirotsaka an-dàlambe dia tsy miasa ny baomba mandatsa-dranomaso sy resa-be amin’ny haino aman-jery fa mifanohitra amin’izay raha ny hafa », hoy hatrany Lezava Fleury.
Fitaovana
Fiantsiana ady raha ny fanapaha-kevitra nanaovana ny « conclave », ary izany no manosika ny olona hidina an-dàlambe. Ny mampalahelo dia ataon’ny sasany fitaovana ny vahoaka satria atosika hirotsaka mba ahafahan’ireo mpitari-tafika, ny avy ao amin’ny FFM, CSC, izany hoe ireo mpitarika, handray ny fitondrana mora foana. « Anisany manome vahana azy ireo ny fanankorontanana satria saika mpomba an’dRajoelina avokoa ireo mpitarika ireo. Tsy hisy zavatra vaovao eto amin’ny firenena fa ny eo ihany no hanjaka. Raha izay anefa dia tsy vahaolana ny firotsahana an-dàlambe. Raha vonona hanao hetsika kosa anefa, tokony efa mivonona hisedra miaramila raha tsy izay tsy ahomby ny fikasana », hoy Fleury Rakotomalala nanamafy.

Tinah
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...