Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Ny Ambatovy no nanala ny fako

19/11/2012

Nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fandraofana ireo fako miavosa tao amin’ny tsenan’i Bazarikely any Toamasina ny tetik’asa Ambatovy. Ny sabotsy teo no nanatontosana izany ary isan’ny nalàna ihany koa ny fako tao amin’ny Bazary be ary ny tao amin’ny tsenan’Ambolomadinika. Nambaran’Ambatovy fa “tafiditra amin’ny fanaovana an’i Toamasina ho tanana madio, sy tanana salama, ary tanana mandroso lavitry ny loto” izao hetsika ataon’izy ireo izao. Fiara vaventy 04 sy “tractopelle” iray no indray nampiasaina nanao ny “operation” fanadiovana ny tanana. Nambaran’ny tompon’andraikitra tao amin’ny tetik’asa Ambatovy ihany koa fa hitohy ao anatin’ny telo volana ary in-droa isan-kerinandro ny fanalana ny fako ao amin’ireo tsena ireo.

Izany hoe ny alatsinainy sy ny zoma.
“Tsy manana olana ara-bola ny kaominina amin’ny antony tsy nahafaka ny fako, ilay fotoana tsy niasana 05 andro ny fetin’ny maty teo no tena olan’ireo fako ireo. Manampy trotraka izany ny fahamaroan’ny mponina, nefa ny teti-bola tsy niova firy”, hoy Atoa Ricky Dinh-Van Pagny, lefitra faha-02 ny filoha delegasionina manokan’i Toamasina rana nanontaniana ny anton’ny tsy nahavitan’izy ireo ny fanangonana ny fako hatramin’izao. . Ny loharanom-baovao hafa kosa dia nanipika fa “misy olana ara-bola ny kaominina, izay no maha-tara lava ny karaman’ny mpiasa. Manampy trotraka izany koa ny tsy fandraisan’ireo tobin-tsolika ny taratasin-tsolika, sy ny olana ara-tsotra amin’ireo tobin-tsolika nanome solika azy teo aloha”. Mahatratra 10 ka hatramin’ny 20 m3 ny habetsahan’ny fako tsy maintsy raofina isan’andro amin’ireo tsena any Toamasina.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...