Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nohadihadiana ireo mpiasa mampiahiahy

29/11/2012

Niroso tamin’ny fanatanterahana ny famerenana izay heverina fa nitranga (reconstitution) mikasika ny fakana an-keriny mpiasan’ny Jirama Toamasina izay nataona jiolahy nitondra basy « Kalachnikov », ka nentina an-keriny nangalatra ny volan’ny orinasa Ar.54 tapitrisa tao anaty « coffre », ny mpitandro filaminana, omaly. Nasiana nandray anjara tamin’izany avokoa ireo mpiasan’ny Jirama izay ahiana ho voakasik’ity raharaha ity.

Mampametram-panontaniana kosa ny mikasika ny fampiakarana ity raharaha ity eny amin’ny Fitsarana manoloana ny fitokonan’ny mpiraki-draharaha.



Notontosaina omaly ny andrana ny zava-nitranga (reconstitution), mahakasika ny fanafihana ny Jirama Toamasina izay nitranga ny alin’ny alatsinainy 26 novambra tokony tamin’ny 07ora. Ny polisy misahana ny heloka be vava sy ny polisy siantifika no nandray an-tanana ny fanadihadiana an’ity raharaha ity, ary nampandraisin’izy ireo anjara tamin’izany andrana izany avokoa ireo mpiasan’ny Jirama izay voaroiroy : nanomboka tamin’ny mpitantam-bola sy ny mpihazona ny fanalaidin’ny « coffre » izay voalaza fa nalain’ny mpandroba an-keriny. Nampanaovina izany koa ireo mpiambina sy teknisiana niasa alina tamin’iny andro iny ary ireo heverina fa mifaningotra amin’ity halatra ity, araka ny fanadiadiana efa nataon’ny polisy misahana ny heloka be vava. Miankina amin’ity andrana natao ity, mazava loatra ny mety hahalalana ny andraikitry ny tsirairay mahakasina an’iny fanafihana sy ny halatra nitranga teo anivon’ny Jirama Toamasina, ary miankina amin’izany ihany koa ny ho tohin’ny fanadiadiana mikasika ny raharaha rehetra.

Tsy hanaiky « réquisition »

Etsy an-danin’izany, mbola fanontaniana mipetraka amin’ny rehetra amin’izao fotoana izao ny mikasika ny fomba mety hanohizana ny fitsarana an’ity raharaha ity. Ny olana dia ny fisian’ny fitokonana izay ataon’ireo mpiraki-draharahan’ny fitsarana manerana ny NOsy. Nohon’ny fisian’izany fitokonana izany tokoa dia tsy afaka tanterahana ny fampiankarana ny raharaha eo anivon’ny fampanovana sy ny mpitsara mpanao famotoran’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina. Satria tsy ara-dalàna ny fandraisan’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana fepetra amin’ny famotsorana na fampidirana am-ponja, ireo izay voaroiroy anatin’ity raharaha Jirama Toamasina ity, raha tsy misy ireo mpiraki-draharaha manamarina izany. Misy ihany koa anefa ireo nilaza fa mety hanao « réquisition » lehiben’ny fampoavana ambony ho an’ireo mpiraki-draharaha izay hisahana ny raharaha ? Efa nilaza ny tsy hanaiky izany anefa ireo mpiraki-draharaha. Efa mandeha ny feo mikasika izany, hoy izy ireo, raha nanontaniana nandritra ny mbola fitokonany teo anoloan’ny fitsarana tao Toamasina, omaly.
Ankoatra izany, araka ny vaovao hafa nangonina dia nisy tovolahy iray mipetraka tao Ambolomadinika nosamborin’ny polisy omaly, noho izy voalaza fa nifaningotra tamin’ity raharaha Jirama Toamasina ity. Raha natao an’izy ireo anefa ny fanadiadiana lalina taminy, dia tsy misy nidirany raharaha ka omaly ihany dia voatery novotsorana ity tovolahy ity.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...