Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Hosamborina aorian’ny 06 desambra Alain Ramaroson ?

30/11/2012

Raha efa miandry ny fotoam-pitsarana azy eny Antanimora ny tangalamena Zakariasy Patrick dia tsy mbola niatrika ny fakàna am-bavany azy kosa ny filohan’ny fiarovana eo anivon’ny CST, Alain Ramaroson. Mbola ao anatin’ny fotoam-pivoriana tokoa mantsy ireo mambra ao amin’ny Filan-kevitra ambonin’ny Tetezamita, antony iray tsy nirosoan’ny mpitandro filaminana tamin’ny fisamborana an’i Alain Ramaroson, raha ny vaovao azo. Ny mpisolovava ny filohan’ny antoko Masters moa no tonga teny amin’ny “section de recherche crminelle” etsy Fiadanana nampahafantatra tamin’ny mpitandro filaminana ny tsy fahafahan’ny olona izay harovany. Na mazava aza ny fanambaran’ny HCC ny amin’ny tsy fananan’ny mambra ao anatin’ireo andriam-panjakana roa ny antsoina hoe “immunité parlementaire” dia manana ny fomba fiasany manokana kosa ny CST, indrindra amin’izao fotoam-pivoriana izay hifarana amin’ny faha-6 desambra 2012.

Mipetraka araka izany ny fanontaniana manao hoe : hosamborina aorian’ny datin’ny 6 desambra ve ny filohan’ny fiarovana eo anivon’ny CST, Alain Ramaroson ? Efa nampitandrina izay manam-pikasana hanao izany rahateo koa moa ny tenany, araka ny hita tamin’ireo gazety mpiseho isan’andro. Hatreto aloha tsy mbola nisy filazana ofisialy ny anaran’ny mpitory azy sy ny anton’izany fitoriana izany. Mety raharaham-pitsarana mifandraika tamin’ireny ampamoaka nataony, mahakasika ny fahafatesan’ny minisitra Nadine Ramaroson ireny izy io araka ny fiheveran’ny mpanara-baovao.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...