Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Ho voaheloka ve ny miaramila ?

30/11/2012

Hatsangana tsy ho ela ny vaomiera manokana hisahana ny fanadihadiana ny raharaha any Atsimo. Ny vondrona iraisam-pirenena moa no nangataka ity vaomiera ity mba ahafahana mamantatra ny tena marina ny ao ambadiky ny « opération Tandroka ». Araka izany dia ny vondrona iraisam-pirenena mihintsy, tarihin’ny firenena mikambana no ho mpikambana ao anatin’ny vaomiera. Raha araka ny nambaran’i Radanoara Julien, mpahay ny lalàna iraisam-pirenena , dia hisy ny fidinanan ifotony ataon’ny mpikambana ao anatin’ny vaomiera. Fa hanangona ihany koa ity farany ny vaovao rehetra mahakasika ny « opération Tandroka » eny anivon’ireo sehatra samihafa voakasik’ity iraka fampandrian-tany ity.

Ho fantatra avy eo ny zava-misy marina rehefa mamoaka ny vokatry ny fanadiadiany ny vaomiera iraisam-pirenena. Hohamarina ihany koa ny filazana fa misy ny famonoana olona feno am-bibiana, ny fandorana trano, rehefa vita ny fanadihadiana. Raha araka ny voalazan’I Radanoara Julien hatrany dia “mety hiafara amin’ny fanamelohana izay tompon’andraikitra rehetra voakasiky ny operation tandroka ny vokatry ny asan’ny vaomiera iraisam-pirenena”. Raha voamarina izany fa nisy tokoa ny tsy fanajana ny zon’olombelona tany atsimo dia “hotsaraina ireo tompon’andraikitra” hoy hatrany Radanoara Julien. “Ka raha tsy mihetsika araka izany ny fitsarana eto an-toerana dia tsy maintsy ny fitsarana iraisam-pirenena no handray ny raharaha an-tanàna” hoy ihany ity farany. Ho lasa lavitra tokoa ity raharaha “operation Tandroka” ity satria dia tsy hipetra-potsiny ny vondrona iraisam-pirenena araka ny vokatry ny fanadihadiana ataon’ny vaomiera manokana. Betsaka moa no milaza fa tena nisy tokoa ny tsy fanajàna ny zon’olombelona nandritra ny “operation Tandroka”. Ny miaramila kosa an-daniny dia miezaka ny manadio tena mafy ka mandà an-kitsirano ny fisiana tsy fanajàna zon’olombelona tany atsimo.
Andrasan’ny mpanara-baovao akaiky araka izany ny vokatry ny asan’ny vaomiera manokana mahakasika ny any atsimo. Ny fanjakana moa dia efa nanao ny azy fa saingy tsy natokisan’ny rehetra ny vokatra ka manamafy hatrany ny filazàn’ny mpitondra fanjakana fa mandeha ara-drariny sy hitsiny avokoa ny zava-misy any Atsimo.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...