Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mihenjana ny tady eo amin’ny UCTU sy ny UCTS

30/11/2012

Taorian’ny tranga mahakasika ny tsy fitoviam-pijery sy ny hevitra nanoloana ny fampiakarana ny saran-dalana ho efa-jato ariary, dia mbola mitohy hatrany ny disadisa eo amin’ny mpitatitra mivondrona ao amin’ny UCTU sy ny UCTS.

Manamarika ny tsy mbola fisian’ny fitoniana eo amin’ireo vondrona mpitatitra roa ireo ny fametraham-pialana izay nataon’i Bernardin Andriambinintsolomora, izay lehiben’ny federasion’ny mpitatitra andrenivohitra sy ny mpitatitra manodidina ny renivohitra ihany koa. « Raha vao nanomboka nanitatra ny zotrany teto an-drenivohitra ny UCTS dia nanampa-kevitra aho ny tsy hiara-hiasa amin’ny olona tsy vonona haneho firaisan-kina tahak’izany », hoy hatrany izy nanamafy ny tsy fankatoavany ny fihetsika mamohehitra izay nataon’ny UCTS tamin’ny nidirany teto andrenivohitra tamin’ny fotoanan’ny grevy izay nataon’ny UCTU farany teo.
Raha ny zava-misy tokoa no jerena sy tarafina dia toa maro amin’ireo zotra mivondrona ao amin’ny UCTU no manitatra ny lalana any amin’ny toerana ivelan’ny renivohitra izay marihina eto fa efa nandritra ny fotoana maro no nisian’izany. Araka ny hita sy voalaza ohatra dia manaporofo izany ny zotra 133, 193, 143, izay miasa sy manatanteraka ny fitaterany eny amin’ny faritr’itaosy iny raha toa ka ny zotra A no tompony tany aloha tany. Ny zotra 105, 112, 114, koa dia lasa manampy ny zotra D izay niasa tamin’iny toerana iny. Mbola maro ireo zotra andrenivohitra manao toy izany raha tsy hilaza afa-tsy ny 163, 194, ary ny 187 izay tonga hartrany amin’iny faritr’alasora sy akadindratombo iny , raha toa ka ny zotra I no tkony hisahana izany . mametra-panontaniana arak’izany ireo mpitatitra mivondrona ao amin’ny zotra ivelan’ny renivohitra ny antony mahatonga ny UCTU hitsipaka ny fidiran’izy ireo ny renivohitra ? iza marina ary izany no tsy mahazaka ny fifaninana ?

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...