Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Manohitra ny gaboraraka eto amin’ny firenena

01/12/2012

Nampaka-peo ireo injenera mpikambana ao amin’ny « Syndicat des ingénieurs Agronomes de Madagascar » izay nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny Tranombokim-pirenena, omaly. Toherin’izy ireo tamin’ny alalan’ny fanambarana izay navoakany ny fanagadrana ny injeniera naman’izy ireo izay sahy namoaka ny marina mikasika ny fandrobana ny harem-pirenena. Tohanan’izy ireo kosa ny fitakiana ataon’ny injenetan’ny Rano sy ny Ala izay mitaky ny hametrahana minisitra vaovao ao amin’ity ministera ity. Nandrahona ny hanetsika ny mpiasam-panjakana ambony tsy an-kanavaka izy ireo raha tsy mamaly ny fitakiana ataony ny fitondram-panjakana.

Iray amin’ireo fanakianana mivaivay miantefa amin’izao fitondrana tetezamita izao ny fanambarana izay nataon’ny SIAM (Syndicat des ingénieurs Agronomes de Madagascar ), manandrify indrindra ny mbola tsy nanendrena minisitra hisahana ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Ala. Nambaran’izy ireo tamin’ny alalan’ity fanambarana ity fa « tsy mbola voatendry foana hatramin’izao, 7 volana nanalana ny teo aloha, ny minisitryny Tontolo iainana sy ny Ala, nefa ny harem-pirenena iandraiketan’izany ministera izany dia tena tantely afa-drakotra ka mampiteny ny moana sy efa mampiloa-bava an’izao tontolo izao. » nambaran’izy ireo ihany koa fa olona tsy ao anatin’ny rafitra ara-dalàna ao amin’ity ministera ity no miandraikitra ny fampandehanan-draharaha amin’izao fotoana izao, sady tsy minisitra rahateo ka tsy eken’izy ireo izany. Mikorontana, hoy izy ireo ny ministera, ary ahiana mafy ny tsy aha-tafarina an’izany nohon’ny fandrahonana ataon’ireo olona napetraka hitantana ao ireo izay nandrahona ny hanapaka ny karaman’ny mpiasa ara-dàlana.
Ankoatr’izay dia isan’ny tsy mahafaly ireto injeniera ireto ihany koa ny nampidiran’ny fitondrana Tetezamita am-ponja an’i Zakariasy Patrick izay injeniera ihany koa. « Nampidirina am-ponja ny Tangalamena Zakariasy « ingénieur des eaux et forêts » raha namotsipotsitra ny « trafics Bois de roses », eto amin’ny firenena. Iza anefa no tsy mahalala fa misy io halatra bevava io, izay ataon’olom-bitsy ? ». namafisin’ny SIAM fa ny fampidirana am-ponja an’I Zakariasy dia midika ho fanampenam-bava ny teknisianina mba tsy hiteny intsony na inona na inona antony. EO anatrehan’izany dia mitaky ny hanaovana fanadihadiana eny anivon’ny parlemanta mikasika an’ity raharaha ity izyy ireo. Mitaky ihany koa ny hamaizana ny tena mpangalatra.
Nanakiana mafy ny fanaratsiana ny tetik’asa « Valabe » ihany koa ny SIAM nandritra ny valan-dresaka nataony omaly. Izany hoe nodisoan’izy ireo tsotra izao ny filazan-dry Kolonely Lylyson fa ny « Valabe » no nampirongatra ny asan-dahalo tany atsimo. « Ny tanjona tamin’ny tetikasa « Valabe » dia ny hanatsarana ireo vokatra ara-piompiana amin’ireo faritra be omby ka namaritana tontolom-piompiana milamina misy firaofana sy rano fisotro voajanahary tsara, voaaro amin’ny halatra sy ny haretina, hamokarana omby tsara karazana sy matavy », hoy ny fanamarihan’ny fanambaran’ny SIAM. Tsy natao hanangonana omby halatra arak’izany ity tetik’asa ity, araka ny nambaran’ireo injeniera. Aza ahilika ny andraikitra fiarovana ny vahoaka sy ny fananany rehefa tsy vita, hoy indrindra ny namintinan’ny SIMA ny fanambarany manandrify izay resaka valabe izay.
Marihana fa naneho ny tsy fahafaliany amin’ny fanaovana ankilabao ny injeniera ihany ko aizy ireo, indrindra mikasika ny tsy fisian’ny fandraisana injeniera efa an-taonany maro.
Nangataka ny hihaona amin’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta izy ireo mba ahafahany mampahafantatra an’ity farany an’ireo fitarainana rehetra ireo ary nilaza ny handray andraikitra raha sanatria ka tsy ahitam-bahaolana izany fifanantonana izany. Marihina fa ny « Syndicat des ingénieurs Agronomes de Madagascar » na ny SIAM dia niforona tamin’ny taona 2011 ary ivondronan’ny ingénieurs d’agronomes rehetra eto Madagasikara, na mpiasam-panjakana izany na tsy mpiasam-panjakana. Mpikambana feno ao amin’ny « Syndicats des Grands Corps de l’Etat » ny SIAM.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...