Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mirongatra ny herisetra am-panambadiana

03/12/2012

Tsy mitsaha mitombo isa ireo vehivavy mametraka fitarainana honon’ny vono na herisetra izay nataon’ny vadiny. Mifaningotra amin’ny fahantrana sy ny rafim-pisainana eto amintsika ity tranga ity raha araka ny fanazavan’i Razafindravao Lydia, tompon’andraikitra momba ny asa sy ny herisetra am-panambadiana ao anivon’ny ENDA OI etsy Andohatapenaka Iray amin’ireo trangam-piaraha-monina izay miha-mahazo vahana eto amintsika amin’izao fotoana izao ny herisetra am-panambadiana. Raha ny atontan’isa mahakasika ny fitarainana voaray ao tetikasa ENDA OI etsy Andohatapenaka no jerena dia tsapa fa tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo

vehivavy izay tonga mitaraina nohon’ny hesisetra mianjady aminy. Raha tsy nisy afa-tsy 150 no tonga nitaraina tao amin’ity ivotoerana ity tamin’ny efa-bolana farany tamin’ny taona 2010, dia tafakatra 432 izany tamin’ny taona 2011, ary tafakatra 600 kosa hatramin’ny fiandohan’ity taona ity ka hatramin’ny volana septembra. Mbola ity fanadihadiana ity ihany koa no nahafantarana fa mahatratra 65% amin’ireo izay nanaovana fanadihadiana no hita fa niharan’ny herisetra am-panambadiana avokoa. Teto Antananarivo no nanaovana ny fanadihadiana. Azo heverina fa maro lavitra noho izany kosa ny any amin’ny faritra hafa ivelan’Antananarivo.
Antony maro no nambaran’i Razafindravao Lydia, tompon’andraikitry tetik’asa Asa sy Herisetra am-panambadiana ao amin’ny Fandaharan’asa Enda OI etsy Andohatapenaka fa mety mahatonga izany fitomboan’isan’ny vehivevy ianjadian’ny herisetra am-panambadiana izany. Isan’ny lehibe indrindra amin’ireo antony ireo anefa ny fahantrana izay mahazo vahana eto amin’ny firenena. Na eo aza anefa izany dia isan’ny antony lehibe mampahazo vahana ny herisetra am-panambadiana ihany koa ny rafim-pisainana izay manome vahana be loatra ny raim-pianankaviana ao anatin’ny tokatrano eto Madagasikara. Nambaran’ity tompon’andrikitra avy ao amin’ny ENDA ity ihany koa fa maro amin’ireo vehivavy any an-tokatrano no tsy magatsapa akory fa iharan’ny herinsetra ny tenany. Torak’izany koa ireo lehilahy izay maro amin’izy ireo no tsy mahatsapa akory fa manao herisetra amin’ny vehivavy ny tenany.
Marihina fa misy karazany maro izany herisetra mpitranga ary mianjady amin’ny vehivevy ao an-tokatrano izany. Voalohany amin’izany ny herisetra ara-batana toy ny vono sy ny daroka. Eo ihany koa ny herisetra ara-toe-karena izay miseho amin’ny alalan’ny fampijaliana ara-bola. Mbola azo sokajiana ho isan’ny herisetra ihany koa tsy fanomezana fahafahana ny vady, ary ny fanaovana teny mahery sy ny latsa mivaivay atao aminy. Tsara ihany koa ny manamarika fa mifandray ary mety hifampiankina ireo karazana herisetra ireo, araka ny fanazavan’i Razafondravao Lydia avy ao amin’ny ENDA ihany.
Arak’izany rehetra izany dia tsy vitan’olon-tokana fa fikambanana tokana ny fitadiavana ny vahaolana manandrify izany. Ho an’ny eto Antananarivo manokana dia efa misy ny tambajotra izay miady amin’izay herisetra mahazo ny vehivavy mitondra tokatrano izay. Ahitana any fiaraha-monim-pirenena, ny olom-boafidy sy olom-boatendry eny an’ivon’ireo vondrom-bahoakam-paritra, ny avy amin’ny polisim-pirenena sy ny fitsarana ary mpitsabo ao anatin’izany tambajotra izany. Miainga avy amin’ny fihainoana ireo izay iharan’ny herisetra ny fandraisana an-tanana ataon’ity tambajotra ity, ary avy amin’ny alalan’izany no hamaritana ny fikarakarana izay ianjadian’ny herinsetra. Fitsaboana, fanampiana arak’asa, fanampiana mba ahazoana ny fiantohana ara-bola avy amin’ny raim-pianankaviana: ireo amin’ny ankapobeny no fandraisana an-tanana ataon’ny tambajotra amin’ireo izay manantona azy ireo.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...