Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Loza mitatao isan’andro ho an’ny vahoaka

08/12/2012

Nahafahan’ny rehetra nahatsapa ny fisian’ny loza mitatao ho an’ny rehetra amin’ny fampiasana ny làlana tsy amin’izay nanaovana azy ny zava-nitranga tetsy Ankadindramamy ka nahafatesan’olona tamin’ny alakamisy teo. Tsy vitsy anefa ny mahita fa ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo mihintsy no mandrisika ny fampiasana ireny làlana ireny ho lasa tsena, amin’ny fakana haba amin’ireo mpivarotra eny amin’ireny toerana ireny, kanefa tsy misy fandraisan’andraikitra amin’ny fiarovana azy ireny akory. Fiatsarambelatsihy ihany ny fahitan’ny maro ny fahatongavan’ireo manam-pahefana izay tonga namangy an’ireo izay niharam-boina noho ilay lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy Ankadindramamy ny alakamisy lasa teo.

Saika isaky ny faritra rehetra eto Antananarivo renivohitra dia ahitana ireo làlana natao handehanan’ny mpandeha na ny fiarakodia kanefa lasa tsena avokoa. Ohatra vitsivitsy no entin-tsika mampiseho izany : Andravoahangy tsena, Mahamasina, Behoririka, Petite Vitesse, Isotry, Paraky, ambodin’Isotry. Izany hoe tandindomin-doza isan’andro isan’andro ireny toerana ireny, raha tarafina amin’ny zava-nitranga afak’omaly teny Ankadindramamy.
Hatreto dia tsy fantatra na nisy didim-pitondrana navoakan’ny Kaomina mikasika ny famaritana an’ireny toerana ireny ho lasa tsena na tsia. Mahagaga ihany koa anefa fa ahitana mpaka hetra avy amin’ny fididiana ny tanana eny amin’ireny faritra ireny. Antony izay ilazana fa mankasitraka an’izany ny mpitondra eto an-toerana ary toy ny milaza fa ara-dàlana ny fivarotana amin’ireny toerana ireny.
Mbola manamafy an’izany ahiahy izany ihany koa ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananrivo izay nilaza fa handray andraikitra manomboka androany mikasika ilay làlana nahafatesan’olona tetsy Ankadindramamy. Arakan y nambarany dia hametrahana vy tsy ahafahan’ny fiara vaventy miditra amin’iny làlana iny. Fanampahan’kevitra izay manamafy fa azon’ireo mpivarotra atao ny mivarotra eo fa ireo fiarakodia vaventy no tsy mahazo miditra eo.
Raha izany no fanampahan-kevitra, ahoana kosa ny mikasika an’ireo toerana maro izay mitovy an’ity tany Ankadindramamy ity. Hasiana vy avokoa ve izy ireo dia ho lasa tsena ho an’ny vahoaka avy hatrany? Aiza ho aiza eo anatrehan’izanyny fanajana ilay filamatra manao hoe “ny làlana natao ho an’ny mpandeha fa ny tsena no an’ny mpisntsena sy ny mpivarotra”.
Mbola mampametram-panontaniana mikasika ny laharam-pahamehana ho an’ny tananan’Antananarivo ihany koa ity tranga ity. Satria mbola vao tsy ela akory izay no nosokafana tamin’ny fomba manetriketrika ilay tetik’asa lalan-kely, izay nahazo fanohanana ara-bola avy amin’ny Frantsay. Tena laharam-pahamehana tokoa ve ny fanaovana an’ity lalan-kely manara-penitra ity raha oharina amin’ny famadihana an’ireo làlana efa misy ho lasa tsena? Sao dia ny fanamboarana tsena sy ny fanerena an’ireo mpivarotra tsy hivarotra raha tsy amin’ny toerana natokana ho amin’izany no vaha-olana.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...