Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nihena ny asan-jiolahy

18/10/2012

Ahina ho mizotra manantona ny renivohitra amin’izao fotoana izao ireo dahalo izay nanao asa-ratsy isan-karazany tany amin’iny ilany atsimon’ny Nosy iny. Io no isan’ny nambaran’ny Kolonely Razafindrazaka Andry nandritra ny fampahafantarana ny Emmo Far izay natao omaly tetsy Ankadilalana. Ny zava-nisy tany amin’ny Faritr’i Vakinankaratra ka nahatratrarana jiolahy nitondra basy sy bala maro ary odigasy no nahatonga azy ireo nilaza izany.

Raha araka ny fanadihadiana nataon’izy ireo dia avy any atsimo tokoa ireo olona tratra tany Vakinankaratra ireo, izay mitsoaka ny fampandrian-tany izay atao amin’izao fotoana izao any amin’iny faritra iny.
Manoloana izany dia hisy ny fisafoana hatao amin’ireo trano fandraisam-bahiny rehetra ato anatin’ny Faritra Analamanga. Hamafisina ihany koa ny fanaraha-maso amin’ny fivezivezen’ny olona eto amin’ity faritra ity.
Nanao tatitra momba ny zava-misy eto amin’ny faritra Analamanga mahakasika ny fandriam-pahalemana ihany koa ny lehiben’ny Emmo-Rég. Arak’izany tatitra izany dia ny 60% n’ny fanafihan-jiolahy teto amin’ity faritra ity dia tsy tanteraka avokoa, tato ho ato nohon’ny fandraisan’nandro=ikitra ara-potoana nataon’ny mpitandro filaminana. Izany dia nohon’ny fazoana ireo vaovao mari-pototra avy amin’ny vahoaka.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...