Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Masira avokoa ny rano

16/10/2012

Tsy mahatosika intsony ny ranomamy any amin’ny tananan’i Manakara amin’izao fotoana izao. Vokatr’izany dia masira avokoa ny rano ampiasain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro satria idiran’ny ranomasina avokoa n any vovon-drano n any paompin’ny jirama. Tranga mpiseho isan’taona any amin’ity tanana ity izany, mialohan’ny fahatongavan’ny rotsak’orana toy izao, saingy tsy mbola nahitam-bahaolana hatramin’izao. Misedra olana ny mponina ao Manakara renivohitra efa ho herinandro izao.

Tsy ahitana rano mamy intsony any an-toerana na amin’ny faritra manodidina. Tsy misy afa-tsy rano masira arak’izany no ampiasain’ny mponina, na sotroina izany, na ampiasaina amin’ny fidiovana.Tsy sambany no misy toy izany ao amin’ity tanana ity satria saika isan-taona amin’ny vanim-potoana mialoha ny fihavian’ny orana toy izao dia masira avokoa ny rano. Araka ny fanazavana dia vokatry ny faharitan’ireo hoharano any ambanin’ny tany any ka tsy maharaka ny filan’ny mponina intsony no mahatonga izany. Izany hoe, latsaka ambany dia ambany arak’izany ny haavon’ny ranomamy any ambanin’ny tany raha mitaha amin’ny haavon’ny ranomasina. Izay no mahatonga ny ranomamy tsy maharesy intsony ny ranimasina ka mampasira ny rano rehetra.
Araka ny nambatra tery aloha dia tranga mpiseho isan-taona izy io ary amin’ny volana oktobra tahak’izao no ahitana azy, saingy mbola tsy nahitana vahaolana hatramin’izao satria na ireo vovon-drano sasany aza dia masira tahaka izany ihany koa ; indrindra moa fa ny rano vokarin’ny jirama . Tsy maintsy mandeha lavitra dia lavitra ireo manan-katao mantsaka rano any amin’ny toerana lavitry ny ranomasina amin’ny alalan’ny fiarakodia. Ny vahoaka madinika kosa dia mionona amin’ny rano masira, eny fa na dia andoavam-bola aza izany .

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...