Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Taorian-dRemenabila, malaza indray Itala

15/10/2012

Raha i Remenabila no anarana nampihorohoro tany amin’iny faritra iny nandritra ny volana maromaro izay dia izany Itala izany indray amin’izao fotoana izao no re etsy sy eroa. Tsy ela fa vao tamin’ny zoma lasa teo dia nanafika tao amin’ny kaomina Ambohimandroso distrikan’Ambalavao ity dahalo ity sy ny ekipany. Omby miisa roapolo no lasibatr’izy ireo tamin’izany ary voalaza fa am-polony izy ireo nanao ity fanafihana ity. Tetsy an-danin’izany kosa tsy ela dia nahare ny fisian’ny fanafihana ny mpitandro filaminana tany an-toerana, izay nadray andraikitra avy hatrany nanao ny fanarahan-dia niaraka

Raha i Remenabila no anarana nampihorohoro tany amin’iny faritra iny nandritra ny volana maromaro izay dia izany Itala izany indray amin’izao fotoana izao no re etsy sy eroa. Tsy ela fa vao tamin’ny zoma lasa teo dia nanafika tao amin’ny kaomina Ambohimandroso distrikan’Ambalavao ity dahalo ity sy ny ekipany. Omby miisa roapolo no lasibatr’izy ireo tamin’izany ary voalaza fa am-polony izy ireo nanao ity fanafihana ity. Tetsy an-danin’izany kosa tsy ela dia nahare ny fisian’ny fanafihana ny mpitandro filaminana tany an-toerana, izay nadray andraikitra avy hatrany nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona. Vokany : tafaverina tamin’ny tompony ireo omby nangalarin’ireto dahalo ireto. Tsy nisy voasambotra kosa na dia irey aza tamin’ireo dahalo ireo. Marihina fa raha araka ny loharanom-baovao dia mbola manohy ny fanenjehana azy ireo ny zandary amin’izao fotoana izao. Nanao fanentanana tamin’ny alalan’ny radiom-paritra kosa ny lehiben’ny distrika mba hifanomezan’ny fokonolona tanana amin’ny fisamborana izany jiolahy izany.
Tsara ny manamarika fa tsy vaovao amin’ny mponina any amin’iny distrikan’Ambalavao iny ny anaran’Itala. Efa an-taonany maro no efa nahafantarana ny asa-ratsin’ity jiolahy ity. Nisy fotoana ihany anefa tsy nandrenesana azy io, raha tsy izao izy miverina eo amin’ny sehatry ny halatr’omby izao indray. Mazava arak’izany fa ankoatra an-dRemenabila dia isan’ny mampihorohoro any amin’iny distrika iny indray amin’izo fotoana izao Itala sy ny mpiara-dia aminy.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...