Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Teratany Frantsay iray sy Anglisy iray maty.

15/10/2012

Nitrangana loza namoizana aina tany Andavadoaka, distrikan’i Morombe ny alin’ny sabotrsy lasa teo. Nanao lanonana teo amin’izany toerana misy zohy (grotte) izany ny mpiasa tao amin’ny fikambanana Blue Ventures; toeram-pitsangatsanganana sy torapasika rahateo koa ilay toerana. Nihotsaka tampoka anefa ilay zohy, araka ny vaovao azo ka dia nianjeran’ny tany tao ireto teratany vahiny. Vokany, maty tsy tra-drano ny lehilahy teratany anglisy iray ary vehivavy teratany frantsay iray. Nisy hafa ihany koa naratra mafy vokatr’izany loza izany. Hakarina eto an-drenivohitra

anio ny vatana mangatsiakan’ireto teratany vahiny roa namoy ny ainy ireto, araka ny fanampim-baovao ihany.
Fikambanana nahita masoandro ny taona 2003 ny Blue Ventures ary ny fikarohana siantifika an-dranomasina sy ny tontolo manodidina ary ny sehatra ara-piarahamonina voakasik’izany no sahanin’ity fikambanana Blue Ventures ity. Tsy mbola fantatra izay tena antony nahatonga ny fihotsahan’ilay zohy; tsy maintsy hisy fanadihadiana hisokatra mazava ho azy manodidina izay famoizana aina teratany vahiny izao.

Roc
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...