Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Natao famotorana ny filohan’ny fikambanana Tsara ambina

13/12/2012

Voaantso teny amin’ny borigadin’ny Zandary teny Betongolo ny filohan’ny Fikambanana Tsara Ambina, RAJOHARISON Félix, talohan’ny nitondràna ny raharaha teny amin’ny mpitsara mpanao famotorana. Ny disadisa eo amin’ny SEIMAD sy ireo mponina efa mampiasa ny tany eny amin’ny 67ha Avaratra Antsinanana izay hanorenan’ity orin’asa ity ny foiben-toerany no anton’izany fampiakarana teny amin’ny manam-pahefana izany. Araka ny fantatra dia ny fandrahonana ho faty an’ireo mpiasan’ny SEIMAD sy ny fandravàna ny trano kely izay noforonina ho an’ny asa eo amin’izany toerana izany no isan’ny niampangana ny filohan’ny fikambanana Tsara Ambina.

Efa nanomboka tamin’ny volana novambra ny disadisa teo amin’ireo fokonolona ao amin’izany faritra izany sy ny orin’asa SEIMAD, taorian’ny nandefasan’ity farany taratasy mandroaka an’ireo mponina teo an-toerana izany hiala satria hanamboarana ny foiben-toeran’ny orin’asa ny tany. Ny herinandro taorian’ny nandefasany an’izany fandroahana izany ihany dia tonga teny an-toerana ny SEIMAD niaraka tamin’ny mpandraharaha izay hanao ny asa. Tetsy an-danin’izany anefa, tsy mbola nanaiky ny fandroahana azy ireo teo amin’izany toerana izany ny mponina, ary nitaky ny hisian’ny didim-pitsarana mazava avy any amin’ny tribonaly. Nisy arak’izany ny taratasy fanoherana nalefan’izy ireo teny an’ivon’ny SEIMAD. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha fa niroso hatrany tamin’ny asa efa nofaritany ny SEIMAD ary nitondra mpitandro filaminana mihintsy tamin’ny fametrahana ny fefy manodidina ny tany izay ifanolanany tamin’ny vahoaka. Araka ny tatitra avy amin’ny vahoaka anefa dia tsy nanana “ordre d’expulsion” akory ireo mpitandro filaminana tonga teny an-toerana. Nisy ihany anefa ny marimaritra iraisana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany dia ny hametrahana vavahady ahafahan’ny mponina nampiasa an’ity faritra ity mivezivezy. Fanampahan-kevitra izay tsy najain’ny SEIMAD satria nofantsian’izy ireo ihany koa ilay vavahady miditra tao amin’ilay faritra. Voatery nanesotra an’izany fantsika izany ny mponina mba ahafahan’izy ireo mivezivezy.
Ankoatr’ireo rehetra ireo dia nandefa taratasy tany amin’ny ministeran’ny Fanatanjahantena ihany koa ny fikambanana Tsara ambina izay ivondronan’ireo mponina roahina amin’ity toerana ity. Taratasy izay manohitra ny fandravana ireo fotodrafitrasa momba ny fanatanjahantena misy teo amin’ity toerana ity.

Vola avy aiza?

Mampametram-panontaniana ny maro tokoa ny mikasika an’ity raharaha fakan’ny SEIMAD ny tany ao amin’ny 67ha avaratra atsinanana ity. Ankoatry ny nahatonga ireo mponina ireo teo amin’ity toerana ity izay ananan’izy ireo porofo mazava tsara, araka ny fanazavany, dia hametrahan’izy ireo fanontaniana ny antony tsy haneken’ity Orin’asam-panjakana ity hitondra ny disadisa eo anatrehan’ny fitsarana. Misy antony manokana ve ny tsy asahian’izy ireo manao izany? Etsy an-danin’izany inona ihany koa, hoy izy ireo, no antony tsy haneken’ny SEIMAD ny hanaovana fifanarahana amin’ny mponina izay efa mangataka an’izany?
Fa an-koatr’ireo rehetra ireo dia isan’ny hametrahan’izy ireo fanontaniana ihany koa ny mikasika ny takelam-pamantarana ny fanatanterahana an’ity asa ity izay ahitana fa isan’ny voakasik’ity raharaha ity ny Primatiora lefitra misahana ny Fanajariana ny tany sy ny ministeran’ny Vola ary ny SEIMAD. Tsy hita eo amin’ity takelaka ity anefa ny anaran’ny “Maître d’oeuvre” sy ny famatsiam-bola ny asa. Raha araka ny lalàna manan-kery anefa dia tokony ho hita eo amin’io takelaka io avokoa izany rehetra izany. Volam-panjakana ary ve izany no hanamboarana an’ity foiben-toeran’ny SEIMAD izay haorina ao 67ha avaratra antsinanana ity sa vola avy amin’ny sehatra tsy miankina? Marihina fa araka ny hita teny amin’ny hetsika salon de l’habitat farany teo dia hisy efitrano maromaro natokana hivarotana amin’ity Foiben-toeran’ny SEIMAD vao haorina ity. Misy ifandraisany amin’ny fanorenana an’izany foibe izany ve ny momba an’izany fanorenana toeram-pivarotana izany?
Tsara ny manamarika fa tsy nahita antony tokony nitazonana am-ponja vonjy maika ny filohan’ny fikambanana Tsara ambina, RAJOHARISON Félix, ny mpitandro ny filaminana izay nandefa ny raharaha ho eny amin’ny fitsarana.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...