Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Hanao tatitra momba ny diany teto Madagasikara androany

19/10/2012

Mifarana androany ny iraka nampanaovina ireo miaramilan’ny SADC izay tonga teto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Rah any fandaharam-potoan’izy ireo dia tokony hihaona amin’ny filohan’ny Tetezamita ireto miaramilan’ny SADC ireto amin’ity androany ity. Ny loharanom-baovao anefa no milaza fa lasa omaly any ivelany ny filohan’ny tetezamita. Mty tsy hisy arak’izany ity fihaonana ity. Nampanantena ny hanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety momba ny diany teto Madagasikara kosa ireto iraky ny SADC ireto alohan’ny hiverenany any amin’ny nihaviany.

Raha araka ny fandaharam-potoana efa nambara hatramin’ny fahatongavan’ireo iraka miaramila avy amin’ny SADC izay tonga teto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity dia androany no hifarana ny fivahiniavan’izy ireo eto amintsika. Voalaza ihany koa fa ny fihaonana amin’ny filohan’ny tetezamita no hamaranany izany diany teto amintsika izany. Mety tsy ho tanteraka anefa ity fihaonana amin’ny filohan’ny Tetezamita ity satria araka ny fantatra dia nanainga omaly nandeha any ivelany ny filoha Rajoelina. Na izany na tsy izany dia nampanantena ny hanao tatitra momba izany iraka nataony teto Madagasikara izany ireto miaramila avy amin’ny SADC ireto mialoha ny haverenany any amin’ny toerana nihaviany sy ny hanaovany tatitra ihany koa amin’ireo izay naniraka azy. Miandry izany tatitra izany indrindra ny rehetra amin’izao fotoana izao.
Marihina fa araka ny loharanom-baovao tsy ôfisialy dia ankoatr’ireo lehiben’ny Foloalindahy izay nifanatrika tamin’izy ireo teny amin’ny Hotely Colbert ny Alarobia lasa teo dia nihaona tamina manamboninahitra sy miaramila hafa ihany koa izy ireo miaramilan’ny SADC. Maro ireo anarana mpitandro filaminana izay voalaza fa nantsoin’ireo miaramilan’ny SADC ireo nihaona taminy. Araka ny maha fivoriana mihafina an’ity fihaonana tamin’ny iraka miaramilan’ny SADC ity dia tsy nisy nipika ny votoatin’ny dinika teo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany.
Tsiahivina fa ivon’ny fihaonan’ireto miaramilan’ny SADC ireto tamin’ny lehiben’ny Foloalindahy eto Madagasikara ny fanaovana jery todika mikasika ny fampiharana ny voalaza ao amin’ny tondrozotra indrindra ny dingana vita momba ny fametrahana ny fiarovana amin’ny famerenana an-tanindrazana ny filoha teo aloha Ravalomanana. Araka ny nambaran’ny Jeneraly Ranto Rabarison dia vonona ny hanaraka izay tinapaky ny mpanao politika ireto manamboninahitra ireto, mikasika izay fampiharana izay voalaza ao amin’ny tondrozotra izay.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...